airtel

Politique

11-oct-2023

Front de refus national

“Mila mifanatona rehefa mihenjan-droa ny tady!”

Sample post image

Mikatso ny raharaham-pirenena noho ny fikirizan’olon-tokana amina fomba fijery diso ka mitarika amin’ny

11-oct-2023

fanitsakitsahana mifanesy ny lalàna fototra, hoy ny fanambaran’ny Front de refus national na ireo elatra manohitra ny fifandonan’ny samy malagasy tetsy amin’ny Au bon accueil Ambatonakanga omaly. Eo koa ny fikarakarana sarintsari-pifidianana tonga hatrany amin’ny fampiasan-kery miroso any amin’ny jadona, hoy izy ireo. Etsy andaniny koa, mijoro ny vondron-kery iray dia ny firaisankinan’ireo kandida, mitondra ny olony eny an-dalambe. Mijoro izahay hampahatsiahy ny amin’ny tokony hibanjinana ny tombontsoa ambonin’ny firenena irery ihany eo amin’ny fitondrana sy ny raharaha politika. Mijoro koa ho vahaolana ary mitarika ny tsirairay handray ny anjara tandrify azy eo amin’ny famerenana fandriampahalemana. Mila mifanaiky hifanatona rehefa mihenjan-droa ny tady! Tsy maintsy hisy na oviana na oviana ny fifidianana fa atao eken’ny rehetra mba tsy hisian’ny korontana. Mandà ny hitondran’ny vahiny ity firenena ity izahay! Ny maha maika izao dia ny hitadiavana vahaolana tsy hampifandrafy ny malagasy. Na iza na iza vazaha mitady hitondra an’i Madagasikara. Tsy hisy portogey hilatsaka filoham-pirenena mozambikanina na afrikanina tantsimo mbola andeha hilatsaka toy ny tamin’ny andron’ny “apartheid” ireny ary tsy hisy norvezianina hilatsaka ho filoham-pirenena ao Zinbabwe. Fa maninona eto Madagasikara no hisy vazaha hilatsaka filoham-pirenena malagasy, hoy hatrany izy ireo?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap