airtel

Politique

18-août-2023

Politique

FTT, MTS, HVM, MMM, Tsara Tahafina Nanaitra ny iraisam-pirenena, mitaky fifidianana madio,…

Sample post image

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

18-août-2023

ireo Antoko sy vovonana politika nahitana ny FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana) tarihan’Atoa Tahina Razafinjoelina, ny MTS (Malagasy Tonga Saina) tarihan’Atoa Roland Ratsiraka, ny HVM (Hery Vaovao ho an’I Madagasikara) tarihan’Atoa Hery Rajaonarimampianina, ny Tsara Tahafina tarihan’Atoa Paraina Auguste, ary ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihan’Atoa Hajo Andrianainarivelo, eo anatrehan’ny toe-draharaha ara-pifidianana ankehitriny. Angatahan’izy ireo ny fahafahana miditra amin’ny Rejisi-pifidianana nasionaly mba hisian’ny fifidianana malalaka, mangaraharaha,… “Izahay antoko politika izay hanolotra kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny 09 novambra, dia maneho ny ahiahihinay mikasika ny fahafahana misitraka ny lisi-pifidianana nasionaly mba ho antoka amin’ny fifidianana malalaka sy madio, ary mangarahara ho an’ny firenena”, hoy izy ireo. Nampahatsiahy, fa araka ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 tamin’ny 11 may 2018, mikasika ny lalàna momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, dia nisy ny dingana nataon’izy ireo teo anivon’ny CENI mba ahafahana mahazo izay lisi-pifidianana izay. Voafaritry ny andininy faha-8 sy faha-32 amin’io lalàna io izany, ary voalaza mazava ao anatin’ny lalàna sy tokony ho azo atao taorian’ny 21 jolay 2023, araka ny andininy faha-7 amin’ny fanapahana n°017/CENI/D/2023 tamin’ny 08 jona 2023, hoy ny fanamafisana. Na nisy aza ny fampanantenan’ny CENI ny hampita ny regisipi-pifidianana, dia nisy ny fampiatoana izany, ka nambaran’ireto antoko sy vovonana ireto fa miteraka sakana ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana 2023. Notsiahivin’izy ireo ny filazana nataon’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) tao anatin’ny tatitra nataony momba ny fitsirihana ny rejisi-pifidianana (2022-2023) izay naneho fa azo antoka ahafahana manatanteraka ny fifidianana manaraka ny lisitra. Antoka ahafaha-manaiky izany ny fahadiovan’ny lisi-pifidianana izany anefa ny fahafahan’ny mpisehatra voakasika miditra sy misitraka an’izany lisi-pifidianana, ary zava-dehibe raha tena hizotra amin’ny fifidianana malalaka sy mangarahara ary mitovy tantana, raha ny nambaran’izy ireo. Ankoatra ny lisitra, dia angatahan’izy ireo ihany koa ny hamoahana amin’ny antsipirihiny ny “cartographie” na ny fitsinjaran’ny birao fandatsaham-bato rehetra manerana ny Nosy, araka ny andininy faha-125 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008. Tena ilaina izany amin’ny fikarakarana fifidianana mba hisian’ny fifampatokisana eo amin’ny mpisehatra rehetra, indrindra fa ao anatin’izao zava-misy sy ahiahy maro samihafa izao, toy ny resaka birao fandatsaham-bato matoatoa, hoy io fanambarana io. Naneho fa manohitra ny mety ho fisiana tetika hafahafa sy tsy fanajana lalàna ataon’ny CENI izy ireo, ary miantso fanaraha-maso sy fahamailoana mba hisian’ny zotram-pifidianana madio. Miantso fangaraharana feno ihany koa mikasika ny tetikasa RPDEM (Renforcement des Processus Electoraux et Democratiques à Madagascar. Manantena ny hisian’ny fandraisana fepetra mahomby mba hisian’ny antoka ara-pifidianana madio, mitovy tantana, ary azo antoka noho izany izy ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap