airtel

Politique

20-nov-2023

Gadra politika

Betsaka no mitondra faisana amin’ny fitondrana…

Sample post image

Nanamarika ny 5 taona nitondran-dRajoelina farany teo ny fanagadrana mpanao politika sy mpandraharaha.

20-nov-2023

Iny nanefa hatramin’ny ain’i Ninie Doniah Filoha Lefitry ny RMDM any Nosy Be Hell Ville, izay nijoro teo anatrehan’ny fahatsapana fakana tanim-bahoaka tsy ara-drariny iny. Betsaka ireo nahita faisana, izay misy ireo efa nandalo tany am-ponja, ao ireo mbola hany mandrak’ity ny androany. Anisan’ireny i Mbola Rajaonah, izay tsy ampy iray volana taorian’ny fihanianan-dRajoelina tamin’izany no nosamborina sy nogadraina. Nanaraka azy fotoana fohy taoriana ry Berija Ravelomanantsoa, izay fanehoan-kevitra tamin’ny Facebook no nandetehana azy ary nohelohina 44 volana an-tranomaizina, ary tahaka izany ihany koa ny Minisitra teo aloha Harry Laurent Rahajason, izay toa nitombo an-dalana ny vesatra, ary na nitaraina ho marary aza tsy afa-bela. Efa nalentika am-bolana tany am-ponja ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa. Tahaka izany ihany koa ireo 9 mianadahy niakanjo mena, nosamborina ny febroary 2021, ary nogadraina telo volana. Efa niditra am-ponja andro maromaromaro ry Afakandro Chistian izay mpampaneno lakolosy tao Mahajanga, ary tratry ny sazy mihantona. Any an-tranomaizina ihany I Beharinirina Marcelin izay niantso vahoaka hidina an-dalambe haneho ny tsy fahafaliany amin’ny fitondrana. Efa niserana tany ihany koa ry Andry Behary,… Any am-ponja mandra-kandroany i Stanley Ramarivelo, izay efa herintaona sy 2 volana eo izay no nisamborana sy nandetehana azy. Nidoboka any am-ponja ihany koa i Mahery Lanto Manandafy rehefa nanao ampamoaka fa misy vazaha mpamatsy bala ary misy mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, niampy depiote mpiara-dia amin’ny fitondrana. Ny taty amin’ny faramparan’ny taom-piasana dia ny nanagadrana an’Atoa Lola Rasoamaharo ny volana martsa 2023 teo, izay maro no manasokajy izany ho fanenjehana politika,… Ny tao anatin’izao toe-draharaha politika mafampana izao moa dia kandida Filoham-pirenena roa no nosamborina, saingy navotsotra, sivily am-polony no any am-ponja ary misy ny notataovana sazy mihantona sy lamandy, depiote iray no mbola miandry fitsarana,… Marina fa misy ny vesatra hanenjehana ireny olona heverina fa gadra politika ireny izay ao ny mety mitombina fa mety ao ihany koa ny tsy rariny. Ampahafirin’ireo nanao afera maloto goavana sy kolikoly mambotry firenena ireny ? Hanao ahoana ny ho avin’izy ireny raha mbola ho Rajoelina ihany no hitondra ? Mbola hoentina amin’ny setrasetra politika amin’ny alalan’ny fanenjehana sy fanagadrana ireo izay tsy mitovy hevitra ve ny raharaham-pirenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap