hoy izy, no entinao manarina firenena dia “instabilité politique” koa izany no entinao eo. Izay no nahatonga ny jeneraly De Gaulle nanao “Etat nouveau” tamin’ny nanao ny “5e république” satria tsy mari-toerana ny “4e république”. Fanjakana vaovao ho atao izany ny “Etat nouveau”. Miala amin’ny tsy misy isika hanao zavatra vaovao mihitsy. Toy izany koa no nataon’i Salazar. Ady an-trano no tany Portugal dia hoe aleo manao «Etat nouveau». Mety tsy demokratika ilay izy fa ilaina atao. Variana manafangaro ny akoho sy ny vorona isika ohatra rehefa fikaonandoham-pirenena. Milaza ho manan-kevitra daholo. Tora-po no nentina nanao lalampanorenana tamin’ny 1991. Raiamandrenim-piangonana no nanao azy. Tsy voaharin-drizalahy intsony ny zavatra natao. Lasa repoblika tsy marin-toerana. Mila manao “Etat nouveau” miainga amin’ny olantsika isika aloha! Ny olantsika dia ny fahantrana, ny famokarana angovo, ny fiovaovaon’ny toetr’andro, ny fitsinjaram-pahefana. Miainga amin’ireo no hanaovana fanavaozana ekonomika sy rafitra. Ny ho fototr’ilay “Etat nouveau” izany tokony hampanankarena ny gasy fa tsy hifaninana handany volam-panjakana intsony hoe prezida misy kere ary dia hamoaka vola haingana, ohatra. Ny sasany mbola hoe izaho misioka tokana dia tonga daholo ny mpamatsy vola. Handany volan’olona fotsiny no atao raharaha nefa ny tokony ho fanontaniana dia hoe ahoana no hamelomana ny fianakaviana tsirairay hampitraka an’I Madagasikara? Isika izao fanjakana mpangataka. Aoka ny malagasy hahavita tena amin’izay! Aoka izay ny fanjakana mpangataka! Ny banky iraisampirenena niteny hoe na afaka 70 taona aza ianareo mangataka aminay, tsy ho tafavoaka! Tsotra foana ny lesoka hatramin’izay dia ny tsy fananana politika mahitsy fa lotoin’ny adihevitra rehefa avy eo. Mila manao lalampanorenana vaovao anefa isika fa tsy hitondra antsika alavitra intsony ity lalampanorenana iainantsika ankehitriny ity, hoy hatrany ny tenany. Mety hilatsaka ho filoham-pirenena moa aho, hoy izy, hahafahana manolotra izay “Etat nouveau” izay saingy aleo aloha mahazo tso-drano.
J. Mirija
Taitra ny ankamaroan’ny mpanara-baovao omaly nahita ny sarin’ny zava-misy teny amin’ny HCC na Fitsarana avo
Nanamafy ny mpandrindra Nasionalin’ny HVM izay efa Filoham-panjakana teo aloha Atoa Rivo Rakotovao,
Nolazain’ny tambazotran-tserasera Twitter fa tao Paris, Frantsa, omaly 30 novambra 2023,
Mahitsy foana ny fomba fijerin’ny Kristianina manao politika,
Ambohipihaonan’ny Etamazoro politikan’ny mpanohitra ny omaly tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny
Nanamafy ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko omaly, fa tsy hanaiky mihitsy izay voka-pifidianana eo,