Aorianana savorovoro toy ireny nitranga nanomboka ny volana septambra 2025 ireny moa dia ilaina foana ny atao hoe fikaonandoham-pirenena hamahàna ny olana, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny filànkevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Izay, hoy izy, ilay hoe tetezamita. Misy hetsika ao dia misy hetaheta mipoitra. Hiampita amina toerana iray fa eto moa izany nofidiana ny teny hoe «fanavaozana», izany hoe, fanavaozana ny raharaham-bahoaka. Ny fikaonandoha, noho izany, dia natao hahalalàna tsara hoe inona no tena hetahetam-bahoaka? Inona no tena tiana hahatongavana? Nosokafana ilay izy ny desambra 2025. Ohatran’ny manao trano io dia manao vato fehizoro fa tsy fantatra nefa avy eo hoe rahoviana ny asa no tena mandeha? Efa nisy karazana fihaonana nandeha, izay hita ho misy savorovoro sahady, satria hoe maninona ny tatsy na ny taroa no tsy tonga? Rahoviana no tena ho alaina ny hevitry ny vahoaka, ilay aman’aliny any amin’ny fokontany rehetra ambany ravinkazo any mihitsy fa tsy hoe ilay solontena an-jatony mitondra karne mamonjy fivoriam-pokontany fotsiny? Misy fanoloana anatin’izany atao hoe «fanavaozana» izany. Tetezamita anaty lalàmpanorenana isika izao sa ivelany? Mpitantana miisa 5 izany izao ivelan’ny lalàmpanorenana. Misy fanapahan-kevitra sasany koa nefa mbola manaraka ny lalàmpanorenana. Lasa sarotra be ny itondràna ilay firenena ka izany no midika hoe mila praograma haingana be isika iverenana amin’ny tokony ho izy. Voafetra ny fahefàn’ny tsy voafidim-bahoaka. Mila tetiandro mazava haingana no dikan’izany handaminana ny tena raharaha politika eto amin’ny firenena fa tsy toy ny hatramin’izay hoe fifandaminan’ny samy mpanao politika. Izay no ilàna ilay fakan-kevitra ifotony mba tsy ho ny mpanao politika ihany no henoina fa na olon-tsotra na akademisianina na mpahaitoekarena na iza na iza. Hatreto, very ny vahoaka fa ny mpanao politika mikajy ny 2028 no milahatra. Hetsi-bahoaka no antom-pisian’izao ka ny hevi-bahoaka naterak’izany, araka izany, no tokony hibaiko fa tsy ny hevitra avy amin’ny vondrona iraisampirenena na firenena avy atsy sy avy aroa! Aza ariana ny fiandrianam-pirenena! Isika angaha adala ka tsy maintsy ny baikon’ny any ivelany no arahina? Isika no tokony hahay handamina ny fiainan-tokantranontsika. Ny tolona no tokony hibaiko fa tsy ny vahiny! Izay rehetra miteny ny mifanohitra amin’izay dia mpanary ny fiandrianam-pirenena. Ny olona zatra milalao politika fotsiny no milaza lava hoe ny avy any ivelany no ilaina andamina eto ary manaiky fanjanahana amin’ny endriny vaovao izany olona izany, hoy hatrany ity filoha lefitry ny CFM teo aloha ity.
J. Mirija