airtel

Politique

15-janv-2024

Governemanta

16 tafaverina, 12 vaovao

Sample post image

Notendrena omaly 14 janoary 2024 tamin’ny alalan’ny didim-panjakana 2024 -020

15-janv-2024

ireo mpikamban’ny governemanta hotarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Miisa 27 izy ireo, ka Minisitra miisa 26 ary Minisitra delegem-panjakana iray. Ny 12 tamin’ireo no tsy tao anatin’ny governemanta teo aloha, ary ny 15 kosa dia efa mpikambana tao anatin’izany ihany. Misy amin’ireo efa minisitra tany aloha no tafaverina ao anatin’ny governemanta, dia Atoa Naina Andriantsitohaina izay lasa Minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Augustin Andriamananoro niverina ho Minisitry ny serasera sy kolontsaina. Niova departemanta kosa Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay lasa any amin’ny fampianarana teknika. Miisa 16 miaraka amin’ny Praiminisitra izany no tavela tamin’ireo mpikambana teo aloha. Nanamarika ny omaly ny fianianana fa hanao ny ezaka rehetra hanatanteraka ny asa am-pahamendrehana, hanao ny ezaka rehetra sy hitondra vokatra haingana, ary hametra-pialana raha tsy mahatanteraka, tsy hanao kolikoly,… Andrasana indray izany ny asa sy ny vokatra, fa ny fombafomba aloha dia tena nipoapoaka.
IREO MPIKAMBAN’NY GOVERNEMANTA
Tahaka izao ny firafitr’izy ireo araka ny filaharana eo anivon’ny governemanta. Minisitry ny Foloalidahy : Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika teo aloha nanomboka ny 2021. Minisitry ny raharaham-bahiny : Rasata Rafaravavitafika, manana PHD amin’ny fifandraisana iraiam-pirenena sy diplaomatika tany Frantsa. Minisitry ny Fitsarana : Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, tafaverina eo amin’ny toerany. Efa mpitsara teo anivon’ny PAC. Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany : Naina Andriantsitohaina, ben’ny tanànan’Antananarivo, efa Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha, mpandraharaha matanjaka, mpikambana eo anivon’ny Sendikan’ny Indostria sy ny Vondron’ny mpandraharaha. Minisitry ny toekarena sy ny vola : Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, efa minisitra teo amin’io toerana io, ary tafaverina eo amin’izany. Minisitry ny atitany : Tokely Justin, admnistratera sivily, tafaverina eo amin’ny toerany. Minisitry ny filaminam-bahoaka : Contrôleur général de police Rakotoarimanana, efa taeln’ny fikarohana sy fanofanana teo anivon’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka, efa talen’ny ady amin’ny koliloly, talen’ny filaminam-bahoaka,… teo anivon’io Minisitera io. Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra : Edgard Razafindravahy, efa nitantana io Minisitera io nanomboka ny taona 2021, ary tafaverina eo amin’io toerana io. Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana : Ratohiharijaona Suzelin, efa mpiasa tany amin’ny PAM sy FIDA, efa « chargé d’affaire » tany amin’ny Ambasadaoro Malagasy tany Rome. Fampianarana ambony : Razafiarison Andriamanantena, mpampianatra any amin’ny Oniversiten’i Toliara, manam-pahaizana momba ny « Anthropologie », efa Filohan’ny Oniversiten’i Toliara. Fanabeazana : Marie Michelle Sahondrarimalala, efa Minisitra teo amin’io toerana io, manam-pahaizana manokana momba ny lalàna, manama-pahaizana momba ny fitsaboana ihany koa. Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa : Lalatiana Rakotondrazafy, Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina teo aloha. Fahasalamana : Zely Arivelo Andriamanantany, tafajona amin’ny toerany. Minisitry ny mponina sy ny Firaisankina : Fonindraza Haingo Elyséte, governoran’ny Faritra Amoron’i Mania farany teo, efa ben’ny tanànan’ny kaominina Ambonivohitra Ambositra. Minisitry ny fizahantany sy ny asa tànana : Joel Randriamandranto, efa minisitra teo amin’io toerana io ihany. Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny fifandraisan-davitr : Tahina Razafindramalo, tafajanona amin’ny toerany. Angovo sy ny akoran’afo : Olivier Jean Baptiste, Tale jeneralin’ny OMH teo aloha, injeniera ambony momba ny solika. Efa mpiasa ambony tamin’ny orinasan-tsolika Galana,… Asa Vavanty : Kolonely Liva Andrianatrehina, manamboninahitra ambony nivoaka teo anivon’ny andiany faha-26 teo anivon’ny akademia miaramila. Injeniera momba ny asa vaventy. Efa minisitra teo amin’io toerana io nanomboka ny febroary 2023. Fitaterana sy ny toetr’andro : Valerie Ramonjavelo, efa minisitra teo amin’io toerana io ihany nanomboka ny febroary 2023. Asa sy ny fampananan’asa :Razakaboana Hanitra Fitiavana : Nianatra manokana momba ny asa sy ny lalàna sosialy, nandalina manokana momba ny lalàna, efa Tale Jeneraly teo anivon’io Minisitera io, efa Talem-paritry ny asam-panjakana teto Analamanga. Rano sy ny fidiovana: Ravokatra Fidiniavo, efa Minisitra teo amin’io toerana io ihany. Jono sy ny toekarena manga : Mahatante Paubert, efa minisitra teo amin’io toerana io, manam-pahaizana manokana momba ny ranomasina. Harena an-kibon’ny tany : Rakotomalala Olivier, efa minisitra teo ihany. Serasera sy ny kolontsaina : Andriamananoro Augustin, efa teo amin’io toerana tamin’ny tetezamita, Minisitry ny paositra teo aloha, efa Minisitry ny jono teo aloha. Tanora sy ny fanatanjahantena : André Haja Resampa, efa teo amin’io Minisitera io nanomboka ny febroary 2023. Tontolo iainana : Max Fontaine, Filoha mpanorina ary PDG an’ny orinasa Bondy International, Ambassadeur climat eo anivon’ny UNICEF eto Madagasikara. Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena : Jeneraly Andry Rakotondrazaka, nivoaka tamin’ny andiany faha-18 amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena. Izy no kaomandy ambonin’ny zandarimaria talohan’izao.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap