Mampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao ny anjara toerana sy asan'io Minisitra io amin'ireny dia ataon'ny Filoha ireny. Toa izy no tompon'antoka amin'izay fihaonana na fivoriana na fifampiresahana any ivelany rehetra any. Fa aiza ny Minisitry ny raharaham-bahiny, na dia mbola mpisolo toerana aza. Voahilika ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ve sa tsy ananana fitokisana intsony sa tsy mahafehy ny asa amin'ny maha Minisitry ny raharaham-bahiny azy ? Tokony handinin-tena ihany raha miaramila be galona faratampony tahaka ireny no salovanin'ny Minisitra mbola zandriny lavitra, na amin'ny arofenitra aza, ny asa tokony hataony. Porofo mitohoka amin'ny tenda ireny fihaonana "Afrika-Amerika" niarahana tamin’ny Filoha amerikana Joe Biden farany teo tao amin'ny Maison Blanche ireny. Ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy izany no naharesy lahatra ny Filoha Rajoelina, miohatra amin’ity Minisitry ny Fiarovam-pirenena, misahana vonjimaika ny raharaha-bahiny ity ? Mampiahiahy rahateo ny fifanandrifian'izany amin'ny raharaha nafampana teo amin’ny Governemanta sy ny solombavambahoaka. Tsy misy fifampitokisana ve izany amin’ireo samy mpikambana ao anaty Governemanta ary misy ny omena tombony manokana ? To-teny kokoa amin'i Andry Rajoelina ve i Lalatiana Rakotondrazafy, ary mahay ny asany ve ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Léon Richard eo amin’ny tontolon'ny diplaomasia ?
Jean D.
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny