airtel

Politique

10-mars-2022

Politique

Governemanta Tsy maintsy hisy minisitra hangorona valizy

Sample post image

“Hiroso amin'ny fanaovana tombana na «ėvaluation» ireo mpikambana ao anatin'ny Governemanta ny Filoham-pirenena ary hisy ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika izany.

10-mars-2022

 Hisy arak'izany ny fanovana ireo Minisitra vitsivitsy. Nanolotra fisaorana ho an'ireto mpikambana ao amin'ny Governemanta ireto ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra tamin'ny asa vitan'izy ireo tsirairay avy na dia nisy aza ny lesoka nandritra izay fito volana niarahana niasa izay”, hoy ny fampitam-baovao ofisialin’ny Fiadidian’ny Repoblika omaly alina. Toerana minisitra 2 moa ny banga ka ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany efa 7 volana izao. Ny Minisiteran’ny Fitsarana iray volana katroka rahampitso no nialan’Atoa Immbiki Herilaza.
TSY FAHAMATORANA, TSY NIOMANA HITONDRA FIRENENA
Fanindimy hisy fikitihana ny mpikamban’ny governemanta tao anatin’izay 3 taona mahery kely nitondran-dRajoelina izay. Minisitra 5 tamin’ireo tao anatin’ny endrika voalohan’ny governemanta nitsangana ny 24 janoary 2019 no hany sisa ao hatreto, ka ny roa amin’ireo no Lehiben’antoko. Midika zavatra maro izany fanindimy hisy fiovana izany, izay maneho fa kitsapatsapa no betsaka, ary tsy niomana ny hitondra firenena i Andry Rajoelina sy ny tariny, fa ny fahazoana fahefana no maika taminy. 7 volana aty aorian’ny fanovana farany ny 15 aogositra 2021, ho avy indray ny fikitihana. Matoa nantsoina nisaorana, dia tsy hiandry ela intsony izany ny fangoronana valizy.

HITONDRA INONA NY FANOVANA?
“Hitondra inona ny fanovana minisitra? Na hovana im-piry aza io tsy hitondra na inona satria efa saika niova ireo fa ny teo ihany no teo, olana rafitra no misy eto. Manao inona, ohatra, ny Minisiteran’ny asa vaventy? Ny FR (Fonds Routiers) izao izy ihany no mitantana azy. Ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) tonga dia ny orinasa sinoa na ny Colas no mahazo azy. Manao làlana, mividy fitaovana, dia ny governora no mitantana azy. Foano tany, dia manao « Minisitère de l’infrastructure nationale ». Misy minisitera asiana minisitra iray sy tovanana minisitra lefitra kanefa inona no vokatra sy tamberina tena entiny ho an’ilay sehatra sy ny firenena?», hoy ny fanehoan-kevitr’i Dr Ignace Randriamamizafy manam-pahaizana momba ny jeografia sady mpandinika raharaham-pirenena.
Toky

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap