airtel

Politique

08-janv-2024

Governemanta vaovao

Tsy antenaina firy hahita vahaolana amin’ny olam-bahoaka…

Sample post image

Efa voatendry ny Praiminisitra ka ny governemanta vaovao indray no andrasana.

08-janv-2024

Efa nisy iny fanambarana fa misokatra ny fandraisana « CV » iny, saingy rehefa zohiana dia ny fanamafisana ny seza ara-politika no heverina fa ho laharam-pahamehana kokoa. Ny Praiminisitra ny teo ihany no naverina na iaraha-mahalala aza ny vokatra tao anatin’ny 5 taona lasa. Ny ankamaroan’ny ho ekipa ao anatin’ny governemanta na ny rafitra samihafa dia efa fantampatatra ihany, ny 60% tamin’ireo minisitra teo aloha farafahakeliny no tombanana ho tafaverina ao anaty governemanta, ireo niantoraka tamin’ny volomboasary nanohana tamin’ny fifidianana tsy maintsy jerena izay hasiana azy,… Ambikambin-javatra na sarintsarina fisokafana mba hitadiavana fahamarinan-toerana politika ny fampidirana ireo sokajiana fa mpanohitra ho ao anaty governemanta raha hisy. «Farahafakeliny 50% ho azy na milaza hisokatra aza. Tsy voatery ho mpanao politika sy mpiara-mitolona, fa azony omena ny olona tena mahavita na teknisianina satria ny zava-drehetra dia efa politika. Tsy te hanonona anarana fa misy olona izao in-telo niova misitera tao anatin’ny governemanta, ka tsy mitombona ny hoe : voafehiny daholo ireo», hoy i Herimanjaka Tsilavo Manantsoa, Olom-pirenena ho kandida depiote, raha naneho ny heviny nialohan’ny faran’ny taona teo. «Na inona na inona tenin’ny Filoham-pirenena hoe : hisokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra, dia ireo kandida 11, ireo izay tena matanjaka tao anatin’izy io dia tsy handray anjara ao anatin’ny fitondrana raha ny fijeriny. Ny fifampiresahanay tamin’ireo masoivoho vahiny ihany koa dia mbola nametraka izy hoe : mifampiresaha aloha, ka rehefa dinihinay io fifampiresahana io, dia nanao bontolo ny fitondrana amin’izao, tsy mety mifampiresaka, ary ilay hoe : firesahana , dia fisokafana amin’izay heveriny fa hiditra ao anaty governemanta, kanefa tsy midika fa misokatra io, fa sarintsarina mpanohitra no mety ho hita ao, tsy hahavaha olana », hoy kosa Atoa Randrianirina Jean Ignace dit Ramasy Filoha mpiara-mitantana ny Antoko MFM tamin’ny tafa manokana niarahana taminy ny fiandohan’ny herinandro teo.

NY OMALY TSY MIOVA !
Hanao ahoana ny fiatrehana ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena ankehitriny sa takotakonana amin’ny ambara fa asa sosialy hizarazarana zavatra amin’ny olom-bitsy ? Tena fijerena izany ve no mahamaika ny mpitondra sa fanamafisana ny kajy politika hahazoana maro an’isa amin’ireo fifidianana manaraka ? Ireo asa goavana nambara fa hatao indray, moa tena misy hoenti-manana ve raha raisina amin’ny fampanantenana tahaka ny efa hatrany amin’ny 2021 nilazana fa taonan’ny asa ka eny amin’ny Tanamasoandro Imeritsiatosika no handraisana ny lalaon’ny Nosy, ny nampanantenana fa efa azo ampiasaina ny Fly Over amin’ny 2023, ny nitenenena 80km amin’ny « Autoroute » makany Toamasina no vita hatramin’ny faran’ny 2023, ny orinasa fanamboarana Ethanol, fanamboarana simenitra, fanamboarana fiara gasycar, bus 1000,… Ny olona tsy niova, ny mpitondra tsy niova, ny politikam-pitanana tsy hita izay niova ka hisy ve ny fahagagana ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap