airtel

Politique

01-sept-2023

Hajo Andrianainarivelo

“Fahamarinana ihany no vahaolana ivoahantsika amin’ny krizy”

Sample post image

Hita farany teo ny fanazavana ny nentin’ny CENI mikasika ny mbola hampidirana olona anaty lisi-pifidianana, hoy ny kandida ho filoham-pirenena,

01-sept-2023

Hajo Andrianainarivelo, teny Mandrimena omaly. Lisi-pifidianana neverina ho efa nikatona nefa, hoy izy. Mbola miteraka olana amin’ny fanatanterahana fifidianana izany. Efa nahazo “certificat d’inscription” na sertifikam-pisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy izao raha izahay manokana. Efa fantatry ny CENI izany ny misy ny biraom-pifidianana rehetra. Mipetraka tsara izany raha voahaja araka ny tokony ho izy ny lalàna. Maninona ilay izy no tsy havoaka. Miteraka olana amin’ny fitantanana ny raharaham-pifidianana androany izay zavatra izay. Singa iray fotsiny izay fa maro ireo singa tsy manara-dalàna hatramin’izao. Avoaka ho hitan’ny olona rehetra ny tetiandro isaky ny misy fifidianana toy izao. Mbola tsy nahita hatreto izahay antoko politika ary nijery tao amin’ny tranokalan’ny CENI hoe inona marina no tetiandro apetrany mifanaraka amin’ny fanomanana fifidianana? Tsy nampahafantarina an’iza na iza izany. Manao antsoavo amin’ny FFKM izahay mba hitarihana ny rehetra amin’ny fiverenana amin’ny fahamarinana. Izay ihany no vahaolana ivoahantsika amin’ny krizy iainan’i Madagasikara ankehitriny. Ny fifidianana eo ihany fa ny olana ara-piarahamonina koa tsy azo adinoina. Na ny rafi-pampianarana na ny fiveloman’ny olona amin’ny ankapobeny androany dia misavoritaka tanteraka. Tsy maintsy misy fepetra raisina koa mikasika an’izay satria tsy mitsahatra eo amin’ny fifidianana ny fiainam-bahoaka! Nametraka ny amin’ny tokony hijerena faran’izay aingana ny rafi-pampianarana izahay ato amin’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM satria io no hoavin’ny firenena rahampitso. Toy izany koa ny fiainam-bahoaka malagasy ankapobeny, indrindra, ny any amin’ny tontolo ambanivohitra manoloana izao fitotonganan’ny vokatra izao na eo amin’ny lavanilina io na jirofo na vary na inona. Mila dinihina dien’izao izany rehetra izany ary anton’ny fikaonan-doham-pirenena toy izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap