Nambaran'ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa tsy mahita ny olana eny ifotony ny fanjakana foibe. Ilaina ny mifampihaino sy manadihady mba hisorohana tahaka ny mahazo ny sehatry ny lavanila, hoy izy. Mihevitra azy ho mahavita irery ny firenena ny fanjakana foibe. Tsy afaka handroso isika raha mbola izany no toetsaintsika. Sarotra ny hampandroso ny firenena raha mbola tsy hampiharina ny fitsinjaram-pahefana. Efa voalazan’ny lalàna velona anefa izany, hoy hatrany ny tenany. Nampitandrina ireo olom-boatendry manao fanamparam-pahefana sy nanao ramatahora ireo mpikambana MMM nikarakara izao fihaonana izao koa ny tenany. Avelao haneho hevitra malalaka ny vahoaka fa tsy anareo irery akory Madagasikara, hoy izy. Tsy azo ekena ny tsindry sy ny fanamparam-pahefana ary koa ny fandikan-dalàna. Natao itondrana firenena ny politika ary itsinjovana ny besinimaro. Tsy politika ho an'ny ady seza na fiarovana seza fa resaka politika natao hohenoin'ny vahoaka. Mila mihaino sy mahalala ny politika itondrana ny firenena rahateo ny rehetra, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny