airtel

Politique

13-nov-2024

Hajo Andrianainarivelo

« Ratsy fiafara izay nilaza ho mafy sy tsy refesi-mandidy teto »

Sample post image

Mba mila fandinihana sy fanetre-tena ihany izy ity fa ny hery ilaintsika dia ny hery

13-nov-2024

afaka manova sy manafoana ny olana tsy voatanisa misy eto fa tsy ny hery fampihorohorohona ny samy malagasy », hoy ny fanehoan-kevitr’i Hajo Andrianarivelo tao amin’ny tambajotran-tserasera. Nahitsy izy naneho fa izay nilaza azy ho mafy, tsy refesi-mandidy ary tompon'ny tanàna teto anie ka ratsy fiafara avokoa. Misy tsy mahay mandray lesona mihitsy ! Ampatsiahivina fa voararan'ny lalàna ny rafi-panjakana mitanila mandritra ny fifidianana ka ny filazàna fa Kandidam-panjakana dia filazàna ampahibemaso fa kandida tsy manara-dalàna, hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo. Na tsy noteneniny mivantana aza, dia ny kabarin-dRtoa Harilala Ramanantsoa teny Mahamasina ny faran’ny herinandro teo no nanehoany hevitra. « Izaho kandidam-panjakana, izaho ny kandida « orange », aza mieritreritra lavitra ny sainareo, izaho no izy, ary isika miaraka no hibata ny fandresena, aza misabababaka ! Rehefa tonga eo aho antsika ny tanàna. Izay no mafy, isika no mafy, isika ny rôle, antsika ny tanàna sa ahoana governora, sa ahoana ry depiote namana, an’iza ny tanàna », hoy Rtoa Harilala Ramanantsoa tamin’io. Kabary izay niteraka adihevitra sy setriny. Nentina tany amin’ny hoe : resaka tsy misy hidiran’ny rehetra fa an’ny samy volomboasary, saingy rehefa navoaka sy niniana naparitaka dia lasa manana endrika ho an’ny daholobe. Kabary izay toa misy hafatra tiana halentika any am-parahatoky ny olom-pirenena fa hanao izay fomba rehetra handrombahana ny fahefana eto Antananarivo ny volomboasary, ary betsaka ireo toe-javatra toa efa maneho an’izany : kajikajy eny amin’ny fokontany, ny fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana mivantana na ankolaka, fanaovana fitaovana politika ireo fanampiana ara-bola avy amin’ny mpamatsy vola, fandemen-tsaina ara-politika mivantana na ankolaka,… Mbola heverina hanaiky hambakaina sy hitazam-potsiny an’izany ve ny vahoakan’Antananarivo izay efa maro no mifoha amin’ny torimasony?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap