airtel

Politique

21-août-2023

Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tompon’andraikitra amin’izay mety hiseho eo ny CENI”

Sample post image

Noho ny fandikan-dalàna sy tsy fahatomombanana samihafa ataon’ny CENI dia namafisin’ny kandida ho filoham-pirenena, Hajo ANdrianainarivelo,

21-août-2023

tany Toamasina omaly fa tsy mahafa-po ny fomba fiasan’ity rafitra misahana ny fifidianana ity hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara. Ny tsy fihainoan’ny CENI ny hevitry ny herivelona isan-tokony eto amin’ny firenena izay efa nandroso soso-kevitra ho fanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana no mahatonga ny tsy fahatokisan’ny maro azy, hoy ny fanazavana, ka tompon’antoka amin’izay mety hiseho vokatr’izany ny CENI ankehitriny. Tsy misy lojika, anjakan’ny fandikan-dalàna ny fanomanana ny fifidianana. ⅓n’ny mpifidy izay tokony ho voasoratra anarana no tsy tafiditra anaty lisitra satria mpifidy 11 tapitrisa no antontan'isa navoakan'ny CENI raha toa ka 15 tapitrisa no tokony ho isan'ny mpifidy araka ny fanadihadiana nataon'ny INSTAT. “Médecin après la mort” na mpitsabo aorian’ny fahafatesana, izay no azo andikana ny tatitry ny fitsirihana ny rejisitry ny mpifidy nataon’ny OIF sy ireo voalaza ho manam-pahaizana malagasy. Efa nikatona tanteraka ny volana jolay teo ny lisi-pifidianana vao izao mivoaka izao ny tatitra sy soso-kevitra maro samihafa, izay tsy afahanana manao inona intsony. Efa nahatsinjo izao zava-misy izao ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM ary tsy te ho mpiray tsikombakomba amin’ny fandikan-dalàna sy tsy fihetezana. Antony tsy nandraisana anjara hatrany am-piandohana tamin’ity “audit” na fitsirihana ity izany, hoy hatrany ny tenany. Hananan'ny kandida Hajo Andrianainarivelo sy ny MMM ny fahaizana sy ny traikefa mikasika ny fitsinjaram-pahefana, hoy kosa ny MMM. 10 taona izy no ben'ny tanànan'Ambanivohitra Ankadinandriana ary ny MMM irery no antoko politika nahavita nanolotra tolo-dalàna mikasika ny fitsinjaram-pahefana izay mbola ampiasaina hatramin'izao. Rehefa tonga eo amin'ny fitondràna izy dia ho fohanana ny “ordonnance” na hitsivolana 73-015 izay nanafoana ny “budget provincial” na tetibola ho an’ny faritany mba hizorana mankany amin'ny tena fizakan-tenan'ny faritra, hoy hatrany ny voalaza. Ny tena laharam-pahamehana dia ny fampiakarana ny farim-piainan’ny malagasy, hoy indray ny Kandida Hajo Andrianainarivelo. Fanamby tsy maintsy hapetraka, hoy izy, ny hoe tsy misy malagasy milahatra sy mangataka vary intsony satria mahamenatra izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2025

nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,

Card image cap
25-avril-2025

Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay

Card image cap
25-avril-2025

Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady

Card image cap
25-avril-2025

Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron

Card image cap
25-avril-2025

Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina

Card image cap
24-avril-2025

Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny

Card image cap