airtel

Politique

20-nov-2023

Hajo Andrianainarivelo

“Tsy maintsy averina ho tany tan-dalàna i Madagasikara!”

Sample post image

Mitohy ny tolona ary tsy maintsy averina tany tan-dalàna i Madagasikara,

20-nov-2023

hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo, raha nampivory ireo mpikambana ao anatin’ny antoko omaly. Tombontsoa iomboanana no tadiaviana rehefa manao politika fa tsy manao fitaovana ny hafa, hoy izy. Ho an’ny vahoaka malagasy rehetra no hanaovana ny tolona. Nidera sy nankasitraka ireo mpikambana tao anatin’ny antoko ny filoha nasionaly, Hajo Andrianainarivelo, tamin’ny fanarahan’izy ireo ny toromarika rehetra nandritra ny tolona izay natao. Namafisin’ny filohan’ny antoko fa mitohy ny tolona ary tsy maintsy averina ho tany tan-dalanana i Madagasikara! Tsy matahotra fifidianana ny antoko ary efa niatrika fifidianana nisy rehetra eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny filohan’ny MMM. Fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra no takiana sy isany niafiana nandritra ny tolona izay natao. Tombotsoa iombonana no tadiavian’ny rehetra manao politika fa tsy manao fitaovana ny hafa. Tsy misy olona natao ambon’ny ny lalàna fa natao ho fehezin’ny lalàna avokoa ny olona rehetra ka tokony hitovy ny fampiarana izany. Tsy nampandroso ny firenena hatramin’izao ny fanaovana fitaovana politika ny foloalindahy. Nisy ny fitoriana izany napetraka tamin’ny fanimbana ny fananan’ireo kandida saingy tsy nisy valiny hatramin'izao. Fampianarana ny olompirenena hitaky ao anatin’ny filaminana no antony hanaovana ny hetsika am-pilaminana na «pacifique» fa tsy midika tsy mahavita akory. Zarina amin’ny zavatra tsara ny olona. Mitohy ny tolona ary entanina ny olona rehetra ho vonona. Misy ihany koa ny toromarika momba izany izay hampitaina hatrany, hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap