airtel

Politique

16-juil-2025

Hajo Andrianairivelo

« Hamaivanina ny ain’ny Malagasy, tsinontsinoavina ny manam-pahaizana »

Sample post image

Iray volana aty aoriana, mbola manjavozavo ny valin’ny fanadihadiana,

16-juil-2025

fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy ny fomba fiasa, tsy azo itokisana ny Fanjakana ankehitriny, hoy ny Antoko MMM tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo. Aiza ny marina ? hoy ny MMM. Mitaky valiny mazava sy fepetra hentitra ny MMM. Rehefa naharary kibo ny mpitondra fanjakana tany Mahajanga (tamin’ny fankalazana ny 8 Martsa), dia nakatona avy hatrany ilay toeram-pisakafoanana. Fa rehefa maty Malagasy tany an-toerana, dia tsy mbola re na inona na inona hatreto mikasika ny fepetra noraisin’ny fitondrana. Faty olona no resaka, hoy ny fanazavan’ny Filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Miara-Miainga, Hajo Andrianainarivelo. « Tsy mba nisy fanaovana fitsirihana na fitadiavana ny tena antony rehefa nisy tranga nafahatesana Malagasy tany amin’ny faritra hafa. Tokony havoaka ny mangarahara, ary tokony hofaizina araka ny lalàna ny tompon’andraikitra, na tompon’andraikitra tamin’ny lafiny fitsaboana, na tamin’ny tsy fahatomombanan’ny herinaratra sy rano, tompon’andraikitra tamin’ny tsy filazana ny marina,… satria ain’olona no resaka. », hoy i Hajo Andrianainarivelo. Lazaina fa manara-penitra ny fitsaboana eto, kanefa betsaka ny fialana andraikitra, tokony ho vita eto ny fitsirihana raha tena manara-penitra marina ny lafiny fitsaboana eto. Misy ny fanaovana tsinontsinona, nalefa tany ivelany kanefa tsy misy valiny mahafa-po avy eo, manao tsinontsinona ny tompon’andraikitra sy manam-pahaizana Malagasy, izay tany ivelany daholo no nianatra ireo manam-pahaizana ara-pahasalamana na mpiasan’ny laboratoara, ka tokony ho fantany, hoy hatrany ny Filohan’ny MMM. Nokianin’ny MMM mafy ny seraseram-panjakana. « Aminay, mandainga ny Fanjakana, dia miovaova foana ny zavatra lazainy, ary tsy mitombina. Manao tsinontsinona ny Malagasy sy ny olona nianatra teto Madagasikara amin’ny fitenintenenena fahatany amin’ny zavatra tahaka ireny. Io lainga miverimberina io dia vao mainka mampiseho fa tsy mahavita ny asany ity fitondrana ity ». Mitady hiala andraikitra, ary fahasalamam-bahoaka no resaka, ka tokony hametra-pialana izay tompon’andraikitra, fa tsy miala bala, hoy hatrany ny ny Filohan’ny MMM izay nanipika ihany koa fa tsy izay tenenin’ny vahiny akory dia marina sy tsy maintsy arahina, ary tsy zanantany intsony isika.
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap