airtel

Politique

07-janv-2025

Hangotraka ny politika ho an’ny 2025

Mety hiafara amin’ny fidarabohan’ny Fitondrana…

Sample post image

Tsy manan-tsafidy ny Fitondrana Rajoelina na mieritreritra ho manana fahamarinan-toerana ara-politika

07-janv-2025

aza eo anatrehan’ny fanaovana rapa-dango amin’ny fanangonan-tseza tamin’ny tetika samihafa. Natao ny fomba rehetra nahazoana maro an’isa tamin’ny fifidianana depiote nentina nitady fahamarinan-toerana ao Tsimbazaza, saingy hita ihany ny fitotonganan’ny antokom-panjakana na dia efa manao ireo tetika samihafa nandrombahana toerana maro aza. Nisy ohatra ireo toerana nahitana voka-pifidianana nitsimbadika mba haha poa-droa ny IRD, tao ny depiote hafa fantatra fa nahavita poa-droa saingy tratry ny tsindry ka navadika ho depiote tokana ihany,… Dia io fa manao mbola mitohy amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny rapadango, ka nahazo 967 amin’ny 1695 ny IRMAR raha ny voka-pifidianana vonjimaika. Betsaka anefa ireo tranga mampiahiahy sy tetika maloto, ary ahiana ho voabaiko tanteraka ny rafitra mpikarakara fifidianana, toy ny fanatsimbadihana voka-pifidianana. Fanamarihana efa nentin’ireo rafitra samihafa toy ny Firaisamonim-pirenena io. Anisan’ny henjana ny tsindropaingotra nataon’ny Transparency Internationale-Initiative Madagascar izay tonga hatrany amin’ny fanairana ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amintsika. Dia io ifandroritana io ny eto Antananarivo, izay manahiran-tsaina ny fitondrana, ka ny kandida efa nihiaka fandresena aza nifitsaka tanteraka hatreto. Havotsotra ve Antananarivo ka hatao sorona i Harilala Ramanantsoa izay nanaovana ny fomba sy tetika rehetra nampandaniana azy ara-taratasy fa tsy araka ny safidim-bahoaka ? Hotsaraina ara-drariny ireo fitoriana samihafa ka hahintsana ity kandida ity ? Sa hofoanana ny fifidianana dia samy tsy misy mahazo ? Raha tsy hatao lany dia hihanjahanja fa fifidianana maloto sy feno hosoka tokoa ! Raha atao lany dia lany tamin’ny halatra sy hosoka ! Na inona na inona aloha hitranga dia hamatotra hatrany ny fitondrana.
TEREN’NY ZAVA-MISY
Andaniny, teren’ny zava-misy ny fitondrana Rajoelina, ka tsy maintsy hitady fitoniana sy filaminana, tsy maintsy miezaka mampiseho amin’ireo sehatra iraisam-pirenena sy ireo rafitra kaontinantaly fa milamina eto Madagasikara. Isan’ny antoka takiana amin’ny fandraisana ireo Fivorian-dehibe toy ny Fihaonana an-tampon’ny SADC atao eto Antananarivo io, eny fa na ny Fivoriamben’ny COI any Nosy Be aza. Kihon-dàlana lehibe ara-politika izao toe-draharaha taorian’ny fifidianana izao, ka ny amboletra samihafa dia vao mainka mety hiteraka krizy politika. Manampy trotraka izany ny olana goavana ara-toekerana sy ara-tsosialy izay vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Pitik’afo kely dia mety hiteraka fipoahana na heverin’ny mpitondra fa maivana sy malemy aza ny fanoherana. Haneho fandeferana ve ny Fitondrana Rajoelina ka hiezaka handamina ny toe-draharaha eto ? Sa hanenjana hanao izay hifehezana amin’ny hery sy basy ny fanoherana mba hanehoana fa milamina ny tany ? Mitovitovy amin’izao ny sary tamin’ny 2009 nialohan’ny saika handraisantsika ny fivoriana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina, ary raha ampitahaina aza ny zava-nisy ara-toekarena sy ara-tsosialy dia azo niainana kokoa noho ny amin’izao ny tamin’izany. Manampy trotraka ny ambana ara-toekerana sy ara-tsosialy toy ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika. Mafimafy ho an’ny mpitondra ity 2025 ity, ary mety handrava ny tsenan’ny Fitondrana ny zava-misy !
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap