Ny iray moa nahazo fitondrana hatrany na tamin’ny fomba mivantana io na tsy mivantana, izany hoe na tsy ny filohan’ilay firehana aza no nitantana ny firenena dia ny olony ihany. Ny iray kosa dia nilaza azy ho mpanohitra tena izy hatrany. Izay nanohitra ny fitondrana ankehitriny ka tsy tao anatin’ny antsoina hoe RMDM tamin’izany fotoana izany dia nolazaina fa tsy tena mpanohitra hatrany raha vantanina ny resaka. Izany hoe raha ivelan’izay rafitra izay ka mitsikera ny tsy mety ataon’ilay fitondrana ankehitriny sy manao hetsi-panoherana an’izany ve izany dia tsy tokony ho ekena eto amin’ity firenena ity ny tsikera sy hetsika ataony mahakasika izao fomba fitantanana izao? Tsy vao izao, noho izany, ny atao hoe fanoherana notarihin’ny filoham-pirenena teo aloha, izay mitarika ilay firehana hafa faharoa ankoatran’ny an’ny fitondrana no nanaratsy ny hafa mitonona ho mpanohitra toa azy dia tsy ho lojika ve raha hamaly ny fanaratsiana mifanesy atao aminy kosa aza ny hafa? Amin’izao fotoana izany dia io enjehiny io indray ihany koa ny kandida ho ben’ny tanàna eto Antananarivo mitonona ho mpanohitra toa azy saingy ivelan’ny rafitra misy azy kosa dia nony namaly izany fanaratsiana nifanesy rehetra izany koa ve izany ity farany dia tononina ho devoly amin’izay? Iny moa izany ilay kandida fa nanasa am-panajàna hifamosaka ny tena marina raha ho sahy tokoa ireo nizizo ho tena mpanohitra tao anatin’ny 15 taona mahery nefa izao mbola miara-mijery ny filentehan’ny firenena izao hanatina fifanatrehana. Miandry isika raha ho sahy hifanatrika tokoa ary inona tokoa moa izany no antony tsy ho asahiana hifanatrika raha tena manana ny fahamarinana? Saingy ny tena heverina ho fanontaniana goavana tena tokony hipetraka koa anefa amin’izao fotoana izao dia ny hoe hanohitra sa hifanenjika samy mpanohitra no ataon’ireo mifampitonona ho mpanohitra ao anatin’izao raharaham-pirenena izao? Ny anaram-boninahitra hoe mpanohitra, raha anaram-boninahitra moa izany, ve no ilaina ifampiadiana sa izay tokony hamoahana ny firenena ao anatin’izao fahantrana miha hirosoany izao? Hanohitra sa tsy hanohitra?
J. Mirija