airtel

Politique

22-nov-2024

Hary Razafindrazaka

«Tsy hoe rehefa tsy manaraka TIM dia hoe mpamadika na foza»

Sample post image

Malemy ny fanoherana, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

22-nov-2024

Tsy mety mijery fitaratra ny mpanohitra fa mitsambiki-mikipy, hoy izy. Efa ela no noresahina io fahalemena io fa nahemotra foana ny fandinihina azy amin’ny antsipirihiny mba hitandrovana hatrany ny fivondronana manoloana ireto mpitondra ireto. Ny vokany nefa dia tsy mahomby mihitsy ilay ezaka natao. Lozan’ny TIM sy ny Mapar no niara-nametraka ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny nanonganana any Hery Rajaonarimampianina, ny minisitry ny indostria sy ny fambolena no napetraky ny TIM ary dia nomena ny ankilany daholo ny «poste clé» na rafitra goavana, indrindra ny atitany izay mikarakara ny fifidianana. Loza! Dia avy eo indray dia nekena ny valim-pifidianana 2018 kanefa hita izao ny fangalaram-bato indrindra tany atsimo. Ho hajanoko eo aloha fa izany rehetra izany dia tsy maintsy atrehin’ny mpanohitra raha tiantsika ny hanana fahombiazana. Niainga ny C11. Nahavelom-panantenana dia vaky. Tokony ho jerena daholo izany. Tsy mahagaga raha malaina ny olona satria toa mihemotra foana ny fanoherana. Tsara be ilay firaisana fa raha samy hifamingana ao anaty firaisana vao maika mitotongana ary manome vahana ny ankilany. Ankoatr'izany inona moa izany no harosontsika mpanohitra amin’ny vahoaka sa hoe dia ny hanongana an-dRajoelina fotsiny no tanjona? Dia avy eo ahoana? Tsy maharesy lahatra ny maro izany. Mila zavatra matotra kokoa ny vahoaka. Jereo ny 2009! Naongana i Ravalomanana dia aiza isika izao? Ny 2018 dia nametraka vina Ravalomanana, niaraka tamin’i Serge Zafimahova dia ny fitsinjaram-pahefana. Ny 2023 dia «MAP plus». Mba matotra isika! Tsy hifanongakongana eto fotsiny isika fa mila hevi-baventy azo takarina handresena lahatra ny vahoaka. Mihaino foana ny kabarin’i Tojo aho fa mba lazao ahy ilay vina fa tsy mbola hitako soritra hatreto! Avy any amin’ny Harvard izany tokony mipetraka mazava ny tetikasa, indrindra raha efa niomana hatry ny ela. Hatreto, 1 volana latsaka alohan’ny fifidianana, tsy mbola hitako. Mba lazao eto mba ho hitan’ny olona ny vinan’i Tojo! Ny an’i Tahina Razafinjoelina mazava. Anjaran’ny mpifidy no mijery hoe tsara na ratsy. Mila atao ny fanarenana politika an’ny fanoherana. marolafy ny fanoherana ary manana olomanga. Tsy hoe rehefa tsy manaraka TIM dia hoe mpamadika na foza. Mpanohitra ny tenako ary tsy misy afaka handiso izany fa hoy aho tamin’ny namana iray akaiky ny filoha Ravalomanana; «Je ne voterai pas Ravalo pour un MAP plus ou un Manifesto. Il en faut beaucoup plus pour me convaincre.» Lasa velivelirano daholo fotsiny izao ny praograma na manao dika mitovy etsy sy eroa. Mandray ny gasy ho toy ny zazakely. Manana olomanga ny mpanohitra ary maro fa isika mihitsy no vendrana. Tsy ireto mpitondra ireto no hoe tian’ny vahoaka fa isika mpanohitra no tsy mahay. Andao hijery fitaratra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap