airtel

Politique

29-mai-2026

HARY RAZAFINDRAZAKA

"Tsy maintsy hisafidy ianao na

Sample post image

ny vahoaka na ireto depiote forongony!"

29-mai-2026

Andriamatoa filohan'ny fanavaozana, ho avy ny fotoana tsy maintsy hisafidy ianao na ny vahoaka niandrandra anao hitondra fanovana ifotony na ireto depiote forongony efa zatra ny fomba fanao teo aloha, hoy ny mpikatroka anivon'ny antoko politika, Leader Fanilo, Hary Razafindrazaka. Mahaiza misafidy, hoy izy, fa tsy mbola tara! Ianao no noraisina ho mariky ny fanovana ifotony. Aza disoana fanantenana ny vahoaka malagasy. Mahari-pery ny malagasy tsy mitaky anao hanafoana ao anatin'ny fotoana fohy ny fanarenana ny firenena fa mila kosa mahatsapa tokoa fa mizotra marina mankany amin'ny fanovana isika.
Tsy mila fikaonandoham-pirenena ny mametraka paikady hiadina amin'ny kolikoly toy ny fanatsarana ny lalana ohatra. Hatreto dia fandaniana vola. Asa na volam-panjakana na vola avy aiza no hitany! Ny vahoaka hanaovana kivorivory etsy sy eroa kanefa isika aza toa ao anaty krizin'angovo. Mitovy tsy misy hafa tamin'ny fomban'ny forongony teo aloha no taza-maso ankehitriny ka mampametraka fanontaniana ny maro. Aza disoina fanantenana ny vahoaka miandrandra fanovana, hoy hatrany ny tenany!
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-mai-2026

fa tsy fanoloana olona fotsiny

Card image cap
29-mai-2026

Ho kandida amin'ny fifidianana izay ho

Card image cap
28-mai-2026

Mitety ireo Fokontany 192 maka ny hevitry ny vahoaka

Card image cap
28-mai-2026

an’ilay politika efa nampahantra ve?»

Card image cap