airtel

Politique

19-mars-2024

Hatao fieren-jiolahy ny

antenimierampirenena… Atidohan’ny «kidnapping» ho kandida depiote ?

Sample post image

Malaza ankehitriny fa ho kandida hofidiana depiote any amin’ny distrikan’Ifanadiana i Manantena Hajanirina Dinah na Haja.

19-mars-2024

Ny raharaha fakana an-keriny na « kidnapping » no nahafantaran’ny maro azy. Voahenjika ho atidohan’ny fakana an-keriny teratany vahiny roa sosona ny taona 2016 sy 2018. Ny voalohany dia ny fakana an-keriny teratany karana antsoina hoe : Shane Kourdjee, nitranga tao Antsirabe ny harivan’ny alakamisy 14 aprily 2016. Volabe 500 tapitrisa Ariary no notakiana ho tambin’ny fanavotana an’i Shane Kourdjee, izay mpiaramiombon’antoka ara-bola taminy ihany, amin’ny fandraharahana ataony, raha ny vaovao tamin’izany. Voasambotry ny Polisy tao Antsirabe avokoa, na ny mpanatanteraka izay voalaza fa nokaramaina 3 tapitrisa Ar, na ilay mpandraharaha voatonona ho mpaniraka an’io fakana an-keriny io. Ny 21 novambra 2018, dia nalaina an-keriny ihany koa ilay mpandraharaha karanaa antsoina hoe : Armane Kamis. Misy rohim-pihavanana akaiky i Shane Kourdjee sy Armane Kamis, izay samy lasibatry ny kidnapping. Votsotra 6 andro taoriana I Armane Kamis, ary nisy jiolahy voasambotra niaraka tamin’ny basy kalachnikov niaraka tamin’ny tranom-bala, ka io no nibaradaka nanoro ny naniraka azy. Nosamborina tany Antsirabe i Haja, ary notazonina tany Ambalatavoahangy, araka dosie ara-pitsarana laharana 272/20-CR. Tampoka teo anefa, namoaka didy nanome azy fahafahana vonjimaika ny Fitsarana ambony ao Toamasina ny 25 martsa 2019. Nitsivalana tamin’io fanapahan-kevitra io ny ministeran’ny Fitsarana, ka naatona tamin’ny asany ireo mpitsara miisa dimy ao amin’ny Fitsarana ambony Toamasina nandray io didy nanome fahafahana vonjimaika an’i Haja io. Vokany, nisy didy fampisamborana vaovao nivoaka momba an’i Haja Dinah taorian’izay. Nifanenjehana teny amin’ny Antenimierampirenena ny desambra 2019 rehefa narahan’ny mpitsongodia, ary hita teny ny fiarany. Nitsoaka ka tany anaty «WC » no tratra, voasambotra izy, sy ireo nanatanteraka ny fakana an-keriny, ary notazomina am-ponja tao Ambalatavoahangy nanomboka tamin’ny 16 desambra 2019. Ahiahiana ho valifaty tamin’ny nisamborana ireo mpaka an-keriny an’i Shane Kourdjee tao Antsirabe no nakana ankeriny an’i Armane Kamis, izay nohamafisin’ny Tonia mpampanoa lalàna tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina sy ny lefiny ary ny komandin’ny Vondrotobim-pileovan’ny Zandarimaria Atsinanana, tao Toamasina ny 7 desambra 2018. Nahatalanjona ny rehetra anefa ny didy ny 11 may 2021 natao teto Antananarivo, izay nanomezan’ny Fitsarana azy fahafahana noho ny fisalasalana. Voalaza fa tsy nantsoina sy tsy nampahafantarana ny fisian’io fitsarana io ireo lasibatra. Nanjary kolikoly sy fikasana hamono ny vesatra niampangana an’i Haja, raha toa ka fakana an-keriny izany teo am-piandohana. Nafahana noho ny fisalasalana i Haja mikasika ny kolikoly ary natsahatra ny fanenjehana azy mikasika ny fikasana hamono olona araka ny didy nivoaka tamin’ny 11 may 2021.
HATAO FIEREN-JIOLAHY NY ANTENIMIERA ?
Tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 2019 dia efa kandida mpisolotoerana tao amin’ny Distrikan’i Ifanadiana, kanefa olona tany am-ponja izy tamin’izany, ka betsaka no niahiahy hoe : tamin’ny fomba ahoana no nahafahany nikarakara dosie izay nisy 14 izay misy tsy maintsy hatrehan’ny tompony ? Marina fa nohafahan’ny Fitsarana, saingy ny tsy azo hadinoina dia mpitsara 5 be izao no naato tamin’ny asany noho ny fanahafahana azy, izay azo adika fa fahadisoana goavana arak’asa ny famotsorana olona nosokajiana ho olon-dratsy kanefa lasa afaka indray taty aoriana. Diso ve izany ny mpitandro ny filaminana, ny tonia mpampanoa lalàna, ny Minisiteran’ny fitsarana tamin’ireo zavatra efa nambarany sy ny fanapahan-keviny tany aloha ? Hatao fieren-jiolahy na olona ahiana ho jiolahy ve ao Tsimbazaza satria ankoatra ireo mety mitady fialofana amin’ny fahefana, dia iaraha-mahalala ihany koa ireo dosie goavana mihitsoka tsy mety tonga eny amin’ny fitsarana ambony na ny HCJ ? hoy ny mpanara-baovao politika.
Toky R

Tahirin-tsary
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap