Hazavaiko, hoy izy. Fantatr'izao fitondrana izao tsara fa tsy maintsy hisy tolom-bahoaka amin’ity taona ity vokatry ny tsy fahaiza-mitantana nataony ka hirahiny ireo mpomba azy, depiote sy mpanao politika mpiaradia amin’ny fitondrana ary mpanohitra sadasada izay efa ratsy endrika ao amin’ny TIM sy HVM izay mamba noana. Mpitady seza mody mivoy ny teny hoe "Lera, Miala Rajoelina" mba hakana ny feon'ny vahoaka efa leo izao fitondrana izao ka hitarika olona hidina an-dalambe. Ny ataon'izy ireo anefa dia ny hanamafy ny sezan'ny filoha Rajoelina sy hanova praiminisitra sy minisitra ka izy ireo no ho ao anaty governemanta. Mody lazaina fa fisokafana. Tsy izany no tolom-bahoaka tiantsika ho apetraka eto ka lasa fitadiavan-tseza fotsiny fa tolom-panafahana ny firenentsika tsy ho eo ambany fangejan'ny vahiny sy ny rajakom-bazaha vitsy an'isa intsony ka hametrahantsika rafi-pitondrana vaovao tena malagasy ahafahana mampandroso haingana ny faritra tsirairay miainga eny ifotony ary hanafoana ny tsy maty manota sy ny mpanodinkodina ny harem-pirenena sy volam-bahoaka hiadanan'ny isan-tokatrano sy ny isam-paritra. Tandremo, tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy amin’ireo olona ireo. Izy ireo dia olona akaiky ny filoha Andry Rajoelina daholo ary misy TIM nivadika ihany koa,CT sy CST nanohana ny filoha Andry Rajoelina, minisitra taloha sy maro samihafa. Tandremo! Tandremo tsy ho voafitaka isika, hoy hatrany i Riribe.
J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,