airtel

Politique

17-nov-2025

Heritiana Rasoamiaramanana

na Zaref «Ny hambom-pom-pirenena

Sample post image

tsy azo adika ho hambom-po diso toerana»

17-nov-2025

Mazava ny tenin'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika, ny Kolonely Michaël Randrianirina, hoy ny mpanao politika, Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref. Manamafy izany ny governemanta manontolo tarihin'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo, hoy izy, fa ny diniky ny samy malagasy no hananganana ny repoblika vaovao. Ny tantsoroka ara-bola sy ara-teknika avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena dia tsy midika velively hoe hitsabaka amin’izay endrika sy votoatin'ny fanovàna tiantsika hafa. Ny hambom-pom-pirenena tsy azo adika ho hambom-po diso toerana fa mbola mila ireo naman'i Madagasikara isika. Ny nofintsika ary tanjona hotratrarina dia Madagasikara mahavita tena ara-toekarena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap