airtel

Politique

29-déc-2023

Hery Rajaonarimampianina

« Asa arahina ezaka no fototry ny fahombiazana »

Sample post image

Anisan’ireo naneho ny heviny manoloana ireny asa « en ligne » lazaina fa mampitombo vola

29-déc-2023

ireny ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Nambarany fa tato anatin'ny dimy taona farany, dia tena betsaka ireo malagasy no roboka tamin'irony lazaina fa fampiasam-bola haingana amin'ny « internet » irony, tsy mila miasa fa mipetraka ao an-trano dia mandray vola hoy ny sasany. Saingy ny mampalahelo dia very ao anatin'ireny ilay vola kely ananana nokasaina mba hampitomboina. « Antony goavana mahatonga ny malagasy liana sy roboka amin'izy ireny dia ny tsy fisian'ny asa sy ny fahambanian'ny mari-karama eto Madagasikara izay tsy ampy hivelomana ka zara aza misy mampanantena vola haingana. Ankoatra izay, nozarin'ny mpitondra tolorana foana ny vahoaka ka tsy te hisasatra intsony fa lasa miantehitra amin'ny zavatra mora azo sisa. Ampy izay ny fanambakana sy fanabadoana ny malagasy, ampy izay ny fanazarana ny malagasy amin'ity tolotra mora lava ity. Asa arahina ezaka izay no fototry ny fahombiazana sy fivoarana", hoy i Hery Rajaonarimampianina. Tsara ny mampahatsiahy, fa manam-pahaizana momba ny toekarena ity Filoha teo aloha ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap