airtel

Politique

08-avril-2024

Honty Razafitrimo

Kandida ho depioten’Ankazobe

Sample post image

Anisan’ireo kandida hofidiana ho solombavambahoaka Atoa Razafitrimo Toavintsilavo Honty na i Honty

08-avril-2024

no hahalalan’ny besinimaro azo, mpikambana amin’ny Tarika Ambondrona. Izy no kandida natolotry ny Vovonana Kelekitifa an’ny Malagasy ahitana ny Antoko FTT, MMM, ARB, MTS, FMI Malagasy any amin’ny Distrikan’Ankazobe, ka hitondra ny teny filamatra « Fihavanana ho an’ny fanovana ». Tafapetraka omaly teny anivon’ny OVEC (Organe de Vérification et d’Enregistrement des Candidatures) ny taratasy firotsahan-kofidiany, ary efa nahazo ny taratasy fanamarinana ny firakitena an’izany ny tenany. Ny zava-kanto no tena nahafantaran’ny olona an’i Honty, saingy tsy vaovao amin’ny politika ihany koa izy. Isan’ny mpandray anjara feno tamin’ireny hetsika notarihin’ny Collectif des candidats ireny ihany koa izy sy ireo namany, izay naneho ny maha olom-pirenena mandray andraikitra sy mikatsaka ny soa iombonana ho an’ny tanindrazana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap