Misy “cyclone” miforona angaha any anelanelan’Iavoloha sy Mahazoarivo any toa tezitra be i “ne pas menacer”?”, hoy ny fanontanian’ny depiote IRD Paul Bert Rahasimanana na Rossy tao amin’ny tambazotran-tserasera. Tsy tongatonga ho azy io fanontaniana io fa ao raha, hoy ny mpanara-baovao. Matetika ahenoana io resaka fikitihana governemanta io hatrany ny raharaham-pirenena rehefa miditra amin’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena. Tsy vao sambany ihany koa anefa no nihozongozona ny toeran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, fa efa hatry ny ela, eny fa na ireo depiote IRD aza misy ny nanakiana azy mivantana noho ny ambara fa tsy fahombiazany, raha tsy hilaza ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Brunelle Razafitsiandraofa. Ity farany izay naneho fa ny Praiminisitra no Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana kanefa maro ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny, ny kolikoly,… Tsara ny mampahatsiahy, fa Atoa Ntsay Christian hatreto no voasokajy ho isan’ny Praiminisitra naharitra indrindra, efa ho 5 taona teo amin’io toerana io satria niainga tany amin’ny volana jona 2018 rehefa nisy ny tsindrin’ny depiote 73, ka namoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana didy fandravana sy fanovana ny governemanta Mahafaly Solondrasana Olivier. Izy no nitondra ny baolina tao anatin’ny fifidianana na teo aza ny Filoham-panjakana vonjimaika Rivo Rakotovao. Tombanana ho isan’ny angady nananana sy vy nahitana ny fahalanian-dRajoelina tamin’ny fifidianana, ary mbola izy no notendrena ho Praiminisitra. Voasokajy ho isan’ny olon’ny iraisam-pirenena ihany koa, ka sarotra ny nanakisaka azy. Ho tonga amin’izany ihany ve ny Fitondrana ankehitriny sa matahotra ny Filoha Rajoelina? Tena hisy fikitihana governemanta sa ny fahabangan-toeran’ny Minisitry ny raharaham-bahiny ihany no hoesorina? Ny resaka mandeha hafa mantsy, dia mety ho miaramila be galona no hapetraka ho Praiminisitra mialohan’ny fifidianana. Asa aloha izay sary politika mety hiseho, fa toa handroso maty Raibe ary hihemotra maty Renibe i Andry Rajoelina ankehitriny.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny