airtel

Politique

09-août-2023

Politique

IDC CDI Hanohana an’i Hajo Andrianainarivelo

Sample post image

Araka ny fampitam-baovao voaray omaly dia namoaka fanambarana ny vondrona politika iraisam-pirenena IDC CDI na International Democrate-centriste fa hanohana

09-août-2023

ny kandida atolotry ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM ho filoham-pirenena 2023, Hajo Andrianainarivelo. Mino izahay, hoy ity vondrona ity, fa ny firotsahan’i Hajo Andrianainarivelo, dia hamarana ny tantaran’ny tsy fifankahazoana nisy nandritry ny 20 taona tao Madagasikara. Heverinay fa tena ilaina ny fanadiovana ny tokontanim-pifidianana sy ny famelana malalaka ny fihetsiketsehana rehetra mialohan’ny fampielezankevitra mba hisian’ny fahatomombanana ara-demokratika ao Madagasikara sy hampivoatra ny fiainam-bahoaka ao an-toerana, hoy hatrany ny IDC CDI. Mpikambana eo anivon’ny IDC CDI moa ny Malagasy miara-miainga, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap