airtel

Politique

18-nov-2024

James Rasoamaka

«Tsy amelanay izay mangala-bato amin’ity!»

Sample post image

Saika tsy noraisina ny filatsahan-kofidian’ny kandida ben’ny tanàna natolotry ny fikambanana Mamiko ny taniko

18-nov-2024

Madagasikara, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, James Rasoamaka, fa ny tenako no nanao hintsin-dalana amin’ny maha filoha mpitarika ny mpanolontsainan’Avaradrano ny tena. Nantsoina tao Ambohitrarahaba, hoy izy, ny talen’ny hetra nifanazava. Rehefa nazavaina moa izany resaka izany tamin’izany fotoana izany dia hoe tsy handraikitro hoy izy ny hanakana ny filatsahan-kofidian’ny kandidanareo. Ho raisiko ny andraikitro nefa anjarao kosa hoy izy, mantsy ny tenako, no miteny ny lehiben’ny distrika mba handray ny andraikiny. Efa nandeha tamin’io ny fotoana satria tamin’ny 5 ora hariva no nikatona ny fametrahana ny antotan-taratasy. Nihazakazaka aho namonjy ny lehiben’ny distrika tany By Pass. Tamin’izany fotoana izany no nifampiresahako tamin’ny lehiben’ny distrika hoe tsy ho ataoko vitavita foana ity raharaha ity fa ianao tomponandraikitra voalohany amin’ny zavatra ohatran’izao ka miangavy anao aho, soniavo ity taratasy ity. Nanasoa izy dia iny no nentina tany amin’ny talen’ny hetra nahafahana namoaka ny 211 bis ary nahafahan’ny kandidan’ny fikambanana hirotsaka ho ben’ny tanànan’Ambohimanga rova. Be dia be ny zavatra tsy mandeha eto Ambohimanga Rova. Efa nanapa-kevitra nefa izahay fa tsy ho lany andro hifanenjika na hifanaratsy. Ho sokafanay kosa nefa ny varavarana rehefa tonga eo amin’ny toerana izahay. Fantatray ny zavatra hanananay ho entina hampandrosoana an’Ambohimanga Rova. Tsy misy ben’ny tanàna afaka hampandroso kaominina iray raha tsy manana ny ho enti-manana ary matanjaka amin’ny fifandraisana any ivelany. Tsy ny 30 tapitrisa Ariary omen’ny fanjakàna no ahafahana no hahafahana mampandroso kaominina iray. Lainga izany! Tsy ny maha kandidam-panjakàna na kandidana antoko politika matanjaka no ahafahanao mampandroso kaominina. Tsy mitovy amin’Antananarivo renivohitra i Ambohimanga Rova. Resaka politika ny ao Antananarivo renivohitra. Ambohimanga Rova kosa dia tompony izahay fa tsy mpihindrana. Maha sarotiny anay ny taninay satria nentin’olona tany amin’ny tsy tokony alehany dia izao miafara amin’ny fahantrany izao i Ambohimanga Rova. Nanapa-kevitra izahay, noho izany, hoe andao ho raisina an-tanana ny antsika. Miantso ny mponin’Ambohimanga Rova ho sarotiny amin’ny vatony ary miantso ny fianakaviambe iraisampirenena koa hanara-maso ny fifidianana ety Ambohimanga Rova. Aza gaga ianareo raha misy olon-kafa, vahiny, hanara-maso amin’ny 11 desambra fa tsy amelanay izay mangala-bato amin’ity, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap