Tsy vita mora, hoy izy, ny hanarina izany. Raha mbola tonga foana ny fampisaraham-bazana na amin’antoko politika na antokom-pivavahana na fikambanana isan-karazany dia tsy handroso izany i Madagasikara. Miha miaina ao anatin’ny fampihatsiana isika ankehitriny. Tsy misy antenaina hanavotra an’i Madagasikara ao anatin’izay rehetra izay. Ny fitrandrahana io harenan’ny malagasy io no tena hamaha olana. Maneran-tany efa misy an’io krizy io ary tsy ho afa-bela mihitsy amin’ny zavatra maro. Madagasikara mbola manana tombony ary azo avotana anaty fotoana fohy. Ilaina ny fifamelan-keloka sy fifampitsinjovana fa malagasy iray isika. Tokony ho politika eto ny fitrandrahana ny haren’ny malagasy na an-kibon’ny tany io na an-tanety na an-dranomasina na resaka sakafo satria miha mafy ny rivotra avy any ivelany. Tokony hiorina kokoa amin’ny vokatra malagasy ny famoronana asa. Ahoana no hampavitrika ny malagasy handoa hetra satria io ihany no afaka hanavotra ny kitapom-bolam-panjakana? Efa hita ankehitriny fa mihena ny fidiran-ketra. Miha tsy misy vola ny mpitondra fanjakana. Lasa olana goavana iraisana io satria na ireo orinasa kely aza tsy afaka mitraka. Rehefa tsy hampandroso ny fihariana anatiny isika dia vao mainka hiha ratsy ny toe-draharaha fa tsy hisy fahagagana eo. Tsy ho avy mihitsy anefa izany raha mbola misy ny fanavakavahana ka raha hiresaka fifidianana izany isika izao dia olona mpampihavana ny malagasy no ilaina eto. Izany no mahatonga anay tsy hirona amina firehana mihitsy aloha, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,