ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile, na amin’ny COP 27 izany na any amin’ny sehatra iraisampirenena samihafa, dia mangataka vola foana. Tsy vahoaka mpangataka tompoko, hoy izy, ny malagasy fa vahoaka miasa. Tokony jerena aloha ny asa ataon’ny vahoaka malagasy ato anatiny fa ny fangataham-bola avy any ivelany raha ilaina dia fanampiny. Ambiny fotsiny, hoy ny filoha Ratsiraka izay, ny fanampiana. Voalazan’ny boky mena hoe “Les aides qui ne nous aide pas à nous passer des aides doivent être refusé.” Tokony hanampy ny malagasy tsy hangataka intsony izany ny fanampiana avy any ivelany. Raha ny mikasika ny COP 27 manokana dia tokony ho fehezin’ny fanjakana malagasy aloha ny doro tanety ato anatiny izay vao mangataka fanampiana avy any ivelany. Tokony fehezin’ny fanjakana malagasy ny fanapariaham-pahefana na “décentralisation” any amin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana, eo amin’ny kaominina mba hihena ny doro tanety na ny fanapahana hazo na hampiakarina ny tahan’ny fambolen-kazo any amin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana vao mampiaka-peo amin’ny COP 27 amin’ny any ivelany. Tokony hampiharina ny fampiasana herinaratra avy amin’ny masoandro na rano ato anatiny vao mangataka fanampiana avy any ivelany raha ilaina fa ny fanafarana Diesel na solika gazoala no atao mahazo vahana ato anatiny. Tokony fafana atao madio tsara aloha ny tokonam-baravaran’i Madagasikara vao mijery ny lesoka misy avy any ivelany.
J. Mirija
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny