airtel

Politique

29-nov-2024

Jimmy Randriantsoa

Nisy nandroba QG, nopotehina ny banderole

Sample post image

Tsy mbola nisy fomba fisainana tahaka ny tamin’ity ny fifidianana Ben’ny tanana niseho tao amin’ny

29-nov-2024

Kaominin a Alasora, distrikan’Avaradrano hatramin’izay hoy ny Kandida Randriantsoa Jimmy laharana fahadimy. Nisy nandroba mantsy ny Qg-ny. Nisy nanala sy namotika daholo ihany koa ireo banderole lehibe misy ny sariny sy ireo mpanolontsaina miaraka aminy manerana ireo Fokontany maro toa ny Fokontanin’Ambohidrazaka, Alasora, Ambohitanety….Ny alin’ny Talata 26 Novambra teo avokoa no nitrangan’izany hankasoparana nataon’ny sasany tamin’ity Kandidan’ny antoko TIM ao Alasora ity izany. Raha araka ny fanazavana azo dia iraka avy amin’ny Kandida mpifaninana aminy ihany no nahavita izany fihetsika izany. Olona roa mitaingina moto izy ireo narahina fiara iray avy any aoriana, mitety Fokontany miezaka manongotra ireo banderole sy ny namany. Ankoatra ity tranga ity moa dia fantatra tsy mitsahatra ny miantsy ady amin’ity kandidan’ny TIM ity amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera Facebook ihany koa io mpifaninana aminy matahotra fifidianana io, raha ny fantatra hatrany. Efa nametraka fitarainana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana araka izany ny Kandida Jimmy Randriantsoa koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende : Nopotopotehin’ny sasany tahaka izao ny banderole misy ny sarin’ny Kandida Jimmy Randriantsoa nanerana ireo Fokontany maro tao Alasora !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap