airtel

Politique

12-janv-2023

Politique

Joseph Yoland “Mila atao mitovy ny fampandrosoana isam-paritra”

Sample post image

Ny fiarovana ny firenena sy ny vahoaka madinika maro an’isa izao no tena iraka na “mission” eto, hoy ny loholona teo aloha, Joseph Yoland. Mila mahay manome lanja ireo harenantsika isika, hoy izy.

12-janv-2023

Tsy mety izany isika manafatra vary izany nefa betsaka ny tany azo ambolena vary eto. Mila ovana ny fehezan-dalana rehetra eto satria teren’ny frantsay ny lalantsika eto. Misy zavatra tsy milamina sy tsy mbola voakasika ao ka eo no ilana ny hoe isika jiaby tena voakasiky ny zavatra tokony kasihina dia ny fiarovana ity firenena ity. Tokony atao anaty lalampanorenana hoe izay manana zom-pirenena hafa ankoatran’ny malagasy dia tokony tsy hilatsaka filoham-pirenena intsony. Lasa miaro ilay firenen-kafa izy raha vao mihoatra ny 1 ny zom-pirenena ananany. Mila miova daholo ny lalana rehetra. Tsy olana na eto daholo aza ny rafi-panjakana rehetra satria eto no renivohitra fa ny fampandrosoana no mila atao mitovy ny isam-paritra. Tokony hitovy ny anjara famatsiam-bolan’ny isam-paritra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap