airtel

Politique

28-mai-2024

Josephin Andriandrainarivo

«Io fisarantsarahana io no mampalemy ity firenentsika ity»

Sample post image

Tohin’ny adilahy nitranga tamin’ny fifidianana filoham-pirenena no sary mbola hita ho nitranga tao anatin’ireny

28-mai-2024

propagandy ho an’ny kandida depiote ireny, hoy ny mpandalina fomban-drazana sady raiamandreny ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo. Mbola ireo lehibena antoko sy lehibena fikambanana no samy milaza izay lazainy, hoy izy. Andaniny, raha tsy haka ohatra vitsivitsy isika, no misy ny mpanohitra dia andriamatoa filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izao ohatra tetsy amin’ny firaisana faha 2 dia hoe Rastany no izy, afaka manova io. Toy izany koa ny tao Avaradrano ny ataoko hoe raiamandreny ara-politika tao anatin’ny fanoherana tamin’ireny fifidianana filoham-pirenena ireny dia kandida Hajo Andrainarivelo izay nilaza koa hoe avy eto Avaradrano no hiainga ny fanovana. Izay ilay ambarako raha mbola olona foana no heverina hitondra fanovana fa tsy fanovana rindran-damina dia tsy hisy na inona na inona hiseho. Tsy naharitra koa ny eo amin’ny fitondrana fa dia niditra an-tsehatra koa. Tonga hatramin’ny hoe fitsingerenan’ny taona nahaterahako ny daty izao ka dia manantena vato be aminareo aho. Ohatran’ny hoe ilay tenany no ho fidiana. Raha nisy ny lesoka tamin’iny fampielezankevitra iny dia lesoka iombonan’ireo mpisehatra politika rehetra eto Madagasikara. Mila fitsingerenan-tsaina mihitsy hoe tena izany ve no endrika politika tokony atao eto? Fizarana hevitra ny fampielezankevitra. Hevitra ny hoe fantatro ny zava-misy eto amintsika rey olona! Raha lany eo aho dia izao no ho entintsika iatrehana an’io. Fandresen-dahatra ny olona no atao. Mizara hevitra hahasoa ny firenena sy fiarahamonina, ny taranaka hoavy sy ny tanindrazana fa tsy fampihorohoroana ara-tsaina na fampitandremana na fampiomanana ny olona hoe andeha hanongam-panjakana na hanao ohatran’izao. Teo nefa izany dia hoe fidio fa andeha hanova na koa hoe tsy mahazo fanampiana raha tsy kandidam-panjakana no fidiana. Aiza ho aiza amin’izany ary ilay tena hitantsika hoe anaty fahantrana isika izao, anaty tsy fandriampahalemana, anaty fahasahiranana amin’ny endriny maro? Andao re ho ataontsika ambany ny baolina ka arenina ny foto-pisainana fanaovana politika mba ho fahendrena sy foto-pisainana feno fitiavan-tanindrazana tokoa na «esprit de citoyenneté» no entina manao politika! Mila firaisankina ny firenena hiadiana amin’ny endri-panjanahantany vaovao. Io fisarantsarahana io no mampalemy ity firenentsika ity ho lasa zarazarao hanjakana, hoy hatrany ity raiamandreny ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap