airtel

Politique

12-janv-2024

Josephin Andriandrainarivo

“Lalana mankany amin’ny faharendrehana izao!”

Sample post image

Tsy ady seza no alaolana eto amin’ity firenena ity, hoy ny

12-janv-2024

filohan’ny fikambanana Manda aron’ny maha gasy, Josephin Andriandrainarivo. Tokony hampiaiky ny rehetra izao zava-misy izao, hoy izy. Na ireo manam-pahaizana fara-tampony io, na mpanam-bola, mpivavaka faran’ny votom-pinoana dia tokony hahatsapa fa lalana mankany amin’ny faharendrehana izao! Ny manambara vahaolana be dia be fa ny mahavita vahaolana tsy misy. Iaraha-miaina anefa ny olana. Mankany amin’ny faharendrehana tahaka ny volamena sy volafotsy isika izao. Arendrika anaty afo mahamay. Zanahary no nametraka ity tany ity ho Madagasikara sy tanin’ny malagasy. Tsy ho avelany ho foana ity. Tsy hisy Madagasikara ho foana anaty karatr’izao tontolo izao. Eo izy fa ho faharendrehana izao raha tsy mitandrina isika. Raha tsy tonga saina! Tsy izay vahaolana nataontsika nandritry ny taona maro izay izany no mendrika antsika. Samy mitebiteby daholo izao na iza na iza na amin’ny aretina io na fandriampahalemana na fihariana andavan’andro na fampianaran-janaka. Tsy misy afaka hiteny izany eto hoe izaho milamina. Ny mpanao politika milaza foana fa krizy. Ny mpitondra indray dia hoe betsaka no vita fa mbola be koa ny atao. Samy tsy misy afa-po no dikan’izany. Mila fifohazan-tsain’ny rehetra amin’ny toe-tsaina tia tanindrazana. Samy manana ny tandrify azy fa tsy hoe ny manam-bola sy be diplaoma ihany no miteny. Raha misy tokontrano iray mahantra eto nefa manefoefo ny manodidina azy dia mbola mahantra ihany i Madagasikara no dikan’izany. Tsy miaina amin’ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany araka ny tsodranon-drazana isika amin’izao fotoana izao. Miha fohy ny andro ivelomany. Miha tsy mifanaja sy mifampatoky fa mifampisoloky ary mifanapatra fahefana. Ny biby sy tontolo iainana mandripaka. Simba ny tanimboly sy ny tontolo iainana. Mila fandinihan-tena ho an’ny tsirairay izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap