airtel

Politique

25-août-2023

Julien Andriamorasata

“Feno sampona ny fitantanan-draharaham-panjakana”

Sample post image

Tena akaiky ny filoham-pirenena izany talen’ny kabinetra izany, hoy ny adminisitratera sivily sady mpahaifitantanana raharaham-panjakana, Julien Andriamorasata.

25-août-2023

Tokony ho fantany tsara ny mikasika azy, hoy izy. Misy fiantraikany amin’ny ataon’ny filoham-pirenena ny ataon’izany fa misy fiantraikany amin’ny fiandrianam-pirenena koa satria solontenan’ny filoham-pirenena mihitsy izany talen’ny kabinetra izany any amin’ireny lanonana na fivoriana ireny raha misy tsy fahafahany. Olona mahay, matotra, hendry, azo antoka izany. Ny filohan’ny repoblika dia tokony hijery tsara hoe iza no atao talen’ny kabinetra? Tokony ho fantatry ny filohan’ny repoblika ny toerana misy izany rehefa sendra tsy am-perin’asa izy! Izy koa matetika no mifandray amin’ny firenena any ivelany rehefa misy iraka ampanaovin’ny filohan’ny repoblika azy. Olona tena atokisan’ny filoham-pirenena ny talen’ny kabinetra ka eo no mampametra-panontaniana hoe nahafeno izay fepetra izay ve ilay talen’ny kabinetra? Mikasika ny zom-pirenen’ny filoham-pirenena moa dia efa mazava ny lalàmpanorenana ary tsy hiverenana intsony iny. Nahavariana na izany aza ny fanehoan-kevitry ny fitsarana. Tena nangataka an-tsitrapo zom-pirenena hafa ny filoham-pirenena malagasy. Tsy itsofoka lalina amin’iny aho fa midika fotsiny ireny hoe feno sampona na “scandale” ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy fifankahazoana amin’ireo tomponandraiki-panjakana no dikan’izay. Midika izany fa tsy misy fanjakana tan-dalàna eto. Tsy mizotra amin’ny tokony ho izy ny fitantanan-draharaham-pirenena. Tomponandraikitra voalohany amin’izany ny filoham-pirenena satria izy no lehibe indrindra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana na “chef suprême de l’administration”. Ny fisian’ny “scandale” dia mari-drefy iray ahafahana milaza fa tsy mandeha ny fitantanan-draharaham-panjakana. Be kotontana loatra. Misy fiantraikany amin’ny fampandrosoana izany satria tsy mifandraika amin’ny tena zava-misy ny fanapahan-kevitra raisina, hoy hatrany ity manam-pahaizana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap