airtel

Politique

20-mai-2025

Kajy politika taorian’ny 2009

«Tsy misy mpamadika ! Nifanekena ireny! »

Sample post image

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

20-mai-2025

nisian’ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina. Iray amin’ireo mpiara-nanorina sy efa Filohan’ity Antoko ity Atoa Raharinaivo Andrianatoandro. Nisy ny tafa manokana nifanaovan’ny Onjam-peo Top Radio sy ny Gazety Tia Tanindrazana taminy omaly. Nambarany fa amin’ny politika, tsy voatery ny hevitry ny vahoaka sy ny hetahetany ny entina fa misy endrika hafa tsy maintsy entina. Tamin’ny 2009, tonga teo amin’ny fitondrana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, nampiasa hery ny andaniny, nidina teny an-dalambe isika, izaho hoy izy no nitarika ny tolona teny Ambohijatovo voalohany, nivadika teny amin’ny Magro Ankorondrano, avy eo teo amin’ny Magro Behoririka. Nambarany fa tsy nilamina tamin’ireny, nisy namana voatifitra teo amin’ny kibony, mianadahy, voatery navoaka amin’ny kibony ny malotony,… Adihevitra be teo amin’ny TIM, tsy nitovy ny hevitra. « Izao aho vao miteny sy mamoaka an’ity, nakany Maputo aho, ary nifandresy lahatra tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana nandritra ny adin’ny roa sy sasany hoe : aoka prezida, andao isika hijanona, aleo handeha ny tetezamita, efa betsaka ny singa hita fa efa tsy tana intsony fa aleo ry zalahy hitondra, matimaty foana ny olontsika, Rajoelina tena jiolahim-boto,… Aleo isika hanao ny fifidianana amin’ny faran’ny taona 2011. Nanaiky Tompoko i Prezida Ravalomanana hoe : ataovy ary fa dia asakasak’ialahy ary tompon’andraikitra ialahy raha tsy tafavoaka io zavatra io », hoy Atoa Raharinaivo Andrianatoandro. Niditra tao anaty tetezamita ny TIM, Raharinaivo no lasa Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita. Rehefa nilamindamina dia nandeha hatrany ny dinika tany Maputo, teraka ny Tondrozotra. « Izaho nolazaina fa namadika, fa na ny Filoha Ravalomanana aza hitanareo fa nanaraka an’ilay tetezamita, ary tsy vitan’izay fa nampiditra minisitra tao anatin’ny governemanta izay notarihin’i Andry Rajoelina. Ny Filoha Ravalomanana mahalala fa tsy namadika aho », hoy hatrany Raharinaivo Andrianatoandro

SOMARY NANIMBA NY FIDIRANA TAO ANATY TETEZAMITA, DISO KANDIDA IZAHAY,…
Aminy, nekeny fa somary nanimba ny antoko ny fidirana tao anatin’ny tetezamita kanefa betsaka no tsy nahazo ka nisy ny filazana fa mpamadika ry Raharinaivo sy ny tariny, kanefa ny tsy tsapany dia tsy tafavoaka ny tondrozotra raha tsy nanao an’izay, hoy izy. Talohan’izay no efa nisy marimaritra niraisana, efa nisy ny Praiminisitra Mangalaza fa notsipahan-dRajoelina, nisy ny Co-Président Fetison Andrianirina,… Nitety an’i Afrika Atsimon’i Sahara, niainga tany Angola izahay sy Rajoelina hoe : ny ekipan’i Marc Ravalomanana aza efa manaiky, nandeha ny tsindrin’ny SADC, nosokafana ny tetezamita,… Raha natao 2011 ny fifidianana dia azo antoka fa lany Ravalomanana satria mbola nafana fo ny olona kanefa dia nekena ny fanohizana ny tetezamita, hoy Raharinaivo Andrianatoandro. Izaho kosa, hoy izy, rehefa tsy natao ny fifidianana 2011, dia niala na afaka nijanona ho CT, nanomboka 2012 hatramin’izao aho tsy niditra tao anaty Fanjakana, tsy nitady toerana. Tsy notanterahana ny tondrozotra, izaho lazaina fa mpamadika, ka mijoro indray aho izao ! Tonga ny 2013, tsy neken’ny iraisam-pirenena ny firotsahan’izy roalahy. « Ireny hitantsika ireny ny fifidianana 2013, misy miteny fa fifanarahana iny tokony ho i Dr Robinson Jean Louis no lany, saingy tsy nisy an’izany, tsy marina izany, fa tsaho ahely daholo izany hampikorontana ny fanoherana, fa Rajaonarimampianona aloha no lany, diso kandida izahay ary mety tsy tahaka ireny raha toa ka hafa », hoy Raharinaivo Andrianantoandro. Nomarihiny fa nanatanteraka ny anjarany tao anaty tondrozotra ity farany, ka tamin’ny androny no niverenan-dRavalomanana.
HANAO AHOANA NY HO AVY ?
Raha ny valim-pifidianana no jerentsika, dia tena ambany dia ambany ny TIM, iaraha-mahalala izany ary tsy olana ny miteny amin’izany. Hery vaovao kosa no homanina amin’izao, ary ny tanjaky ny TIM any amin’ny rantsa-mangaika hatrany amin’ny fokontany dia miandry fotsiny. Hamoaka vina mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny satria tsy mitovy intsony toe-draharaha ankehitriny sy ny tany amin’ny taona 2023. Manana ny depiote mpanohitra maro an’isa ao Tsimbazaza ny TIM, kanefa olona ivelan’ny TIM no lasa Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenena. Fanambaran-kery no nambaran’i Raharinaivo Andrianatoandro fa antony, hanomezana vahana ny kely vato, hihainoana ny solontenan’ny vitsy an’isa,… hoy Raharinaivo Andrianatoandro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap
11-juin-2025

Miainga eny ifotony ny fampandrosoana hoy Andriamanantena Seraphin,

Card image cap
11-juin-2025

Pastera Heritiana Tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony

Card image cap