izay atolotry ny Fahefa-Mividy no Ilain’ny vahoaka na FMI Malagasy. Efa kandida ho Filoham-pirenena ny tenany tamin’ny taona 2013, ary mbola naneho ny fahavononany ao anatin’ny hazakazaky ny fifidianana indray izy sy ireo mpanohana azy. Tafapetraka ny dosie firotsahan-kofidiana, fa efa napetraka ihany koa ny taratasy fanekena hialana amin’ny fitondrana amin’ny febroary 2024, raha tsy midina ampahefany ny vidin’ny PPN na entana ilaina andavanandry tahaka ny vary, menaka, lafarinina, siramamy, solika, zezika, kibota,… hoy I Jean Jacques Ratsietison. Milaza anefa izy fa tsy hitranga izay fialany izay satria aminy dia didim-panjakana fotsiny no mandidy sy manapaka amin’izay fotoana izay, fa tsy 5000Ar fotsiny ny 1Euro fa 1250Ar. Nilaza fa tsy mizara vola sy t-shirt izy ireo, fa mizara fanantenana ho an’ny Malagasy, ka ho an’ity kandida ity dia nilaza izy fa azo atao ny mametraka fanantenana vaovao amin’ny alalan’ny zavatra mahery vaika sy fohy ezaka dia io didim-panjakana mampihena ny vidin’ny vola vahiny ampahefatry ny amin’izao io, ka nilazany fa 30000Ar dia mahazo trano, ny asa no hitady olona. Milaza hampiditra mpiasam-panjakana hatrany amin’ny 1 tapitrisa ny tenany satria tsy ampy izany 250000 izany izay tsy ampy 5 isan-jaton’ny mponina. Nampanantena fa hampidirina mpiasam-panjakana ny mpampianatra FRAM rehetra sy ny mpiasam-panjakana mbola tsy raikitra, ny mpiasan’ny fokontany sy distrika, hampiditra mpampianatra tsy latsaky ny 1 hetsy. Momba ilay anto-bola 200 tapitrisa Ar, nilaza ity kandida ity, fa “sacrifice” iny ho azy ireo. Izahay irery no tsy tonga dia nahita an’io mora fa ireo kandida rehetra efa tao amin’ny fitondrana dia manana an’io be dia be, nataon’ny klioban’ny miliaridera io, fa ny anaty hanavotra an’I Madagasikara, ka izahay no nahatongana anay tsy maintsy milatsaka, hoy hatrany ity kandidan’ny FMI Malagasy ity. Tsy maintsy misy mitondra mantsy, hoy izy, ny hevitr’izy ireo satria efa nomena io tamin’ny andron’ny tetezamita, 80% tamin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no efa nanaiky fa hofoanana ilay Tsenan’ny fifanakalozana ara-bola na MID, fa olona roa no nanakana, efa nomena ny fitondrana mba hitsinjovana ny Malagasy efa nanomezana antoka ny fitondrana fa raha antsoina hanao anao an’io ka tsy vita dia azo gadraina, saingy tsy noraisina, hoy hatrany I Jean Jacques Ratsietison. Tena didim-panjakana iray tokoa ve dia afaka hahavaha ny olan’ny Firenena iray manontolo?
Toky R
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,