no handrafetan’ny Kandida Ben’ny tanana Jimmy Randriantsoa ny fandaharan’asany mandritra ny 5 taona ho avy indray ho an’ny mponin’Alasora, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Mitohy hatrany araka izany ny fitetezana ireo Fokontany miisa 20 mandrafitra ny kaominin’Alasora entin’ity Kandida natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ity mampahafantatra ny tenany sy ireo mpiray lisitra aminy. Tanjon’ny Kandida Jimmy ny hahafahana mahalala sy mahafantatra ireo zavatra mbola tokony hotohizana sy tanterahina hahafahana mampandroso an’Alasora iray manontolo. Dingana ihany mantsy ny azy ny ho Ben’ny tanana fa ny asa fampandrosoana ity tanana ity no tena tanjony ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : Alasora iombonana, mahate-honina. Efa fanaon’ity kandida iray ity moa ny mihaino ny vahoaka tahaka izao hatramin’izay fa tsy vao sambany akory. Notsiahiviny fa tanana manana ny tantarany sy ny hasiny Alasora ka mila olona mahay, mahalala ary mahafantatra ny fitantanana io kaominina io mba hiavahany amin’ny kaominina rehetra. Miisa 5 moa ireo kandida mpifanina ao anatin’ny kaominina Alasora amin’ny fifidianana Ben’ny tanana hotanterahina ny 11 Desambra ho avy izao ka ny Kandida Randriantsoa Jimmy no mitondra ny laharana fahadimy.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Kandida natolotry ny TIM ho Ben’ny tanana ao Alasora Avaradrano !
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny