tsy niandry ela fa ny androtr’io ihany dia efa nisy ihany koa ny taratasy nalefan’ny kandida miisa 10 amin’ny 13 any amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI. Nanasonia izany ny kandida tamin’ny alalan’izy ny tenany na ny solontenany, dia i Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, Andry Raobelina, Tahina Razafinjoelina, Jean Jacques Ratsietison, Siteny Randrianasoloniaiko, Paraina Auguste, Roland Ratsiraka, Hajo Andrianainarivelo, Brunelle Razafitsiandraofa. Anto’io ny fanapahan-kevitra N°12-HCC/D3 nataon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC ny 09 septambra teo, mikasika ny fahabangan-toeran’ny filoham-pirenena sy ny fanapahan-kevitra mikasika ny handimby azy, izay nomena ny governemanta, raha tokony horaisin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Mampihatra ny voalazan’ny lalàna no anjaran’ny HCC fa tsy tokony hanao fandikana hafa, ary mazava ny voalazan’ny lalàna, hoy io taratasy io. Voaresaka ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana izay milaza fa raha mirotsaka hofidiana ny Filoha am-perinasa dia miala 60 andro mialohan’ny datin’ny latsa-bato, ary ny Filohan’ny antenimierandaholona no misolo azy mandra-pisian’ny famindram-pahefana ho an’ny Filoha vaovao. Ary raha kandida ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona, dia ny fiaraha-mitantana eo amin’ny governemanta no hitondrana ny firenena. Milaza noho izany ity fanambarana ity, fa ny hany tokana azo ekena amin’ny hisoloan’ny governemanta ny Filohan’ny antenimierandoholona dia izy kandida tokana ihany, saingy tsy izay no sary misy amin’izao. Tokony hihatra ara-bakiteny noho izany io lalàna io. Ny Filohan’ny antenimierandoholona izay marihina fa eo amin’ny toerany, ary afaka manao ny asany, saingy voalaza fa tsy nandray ny fahefana io,… Ny fialan’ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy natao tamin’ny fampiharana ny andininy faha-52 fa fampiharana ny andininy faha-46 andalana faharoa, ary nohamafisiny tao amin’ny taratasy fametraham-pialany. Tsy voafaritry ny lalàmpanorenana ny fialan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, kanefa ny HCC, dia nanamarina sy nanaiky izany tao anatin’ny fanapahan-keviny, raha ny ambangovangon’ny fanazavana. Nanao an-tsitrapo io fampifangaroana ireo andiny 2 ireo ny HCC ary nanaiky ny ambara fa fialan’ny Filohan’ny Antenimierandooholona, ka namela ny toeran’ny filoham-panjakana ho banga, nanao fandikana diso ny HCC tao anatin’izany, ary nandray fanapahan-kevitra manitsakitsaka ny lalàmpanorenana, hoy ireo kandida 10.
TSY MAHATOKY NY MPIKAMBAN’NY HCC
Raha ny zava-misy, nanamafy ny ahiahiny amin’ny HCC ireo kandida 10, ary naneho fa tena fanonganam-panjakana avy amin’ny andrim-panjakana na “Coup d’Etat institutionel” mba hametrahana ny Praiminisitra amin’ny fitantanana ny firenena ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana mba hahafahana manodinkodina ny voka-pifidianana ho an’ny tombotsoan’ny kandidany no anton’io. Manoloana izany toe-javatra izany, tena tsy mahatoky ny mpikamban’ny HCC izay mitsikombakomba tamin’io ary nanamarina ny “coup d’Etat institutionel” izahay, hoy ireo kandida miisa 10. Mitohy hatrany izany ny ahiahy. Midika ve izany fa tsy hanaiky izay didy havoakan’ny HCC amin’io endriny io ireo kandida 10 izay efa miahiahy fa misy tetika hoenti-manome tombondahiny an’I Andry Rajoelina? Efa nisy rahateo ireo kandida nametraka fitoriana momba ny tsy tokony hahafahan-dRajoelina mirotsaka saingy notsipahan’ny HCC izay nanamafy ny ahiahy, ary mety hitohy any tsy fandraisana ny fitoriana momba ny raharaham-pifidianana na “contentieux électoraux” Inona no hitranga eo anatrehan’ny fifandirana sy ahiahy izay efa kandida 10/13 no manamafy ny tsy fahatokisany ny rafitra hitsara ny fifidianana? Handeha ve ny fifampidinihana politika handaminana ny toe-draharaha sa hoentina any amin’ny hoe: izay hidonany any alehany?
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny