nanapahan’ny tenako sy ny antoko izay nanohana ahy hisintona ny firotsahan-kofidiako, hoy ny kandida ho filoham-pirenena niala an-daharana, Julia Mickaëlle Rasolofonoroniaina na Mishah, tetsy amin’ny HCC Ambohidahy omaly. Niaraha-nahita, hoy izy, ny zava-nisy omaly (TTF: ny alarobia teo) fa nametraka ny antotan-taratasy feno filatsahan-kofidiany ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina. Hita taratra tanaty kabariny ihany koa fa feno fitiavan-tanindrazana ny zavatra noteneniny. Feno fanetre-tena satria nisy ny fialan-tsiny nataony ho an’ireo adino. Hijery anareo manokana aho, hoy izy. Hijery ireo mpandraharaha, ireo vehivavy, ny rehetra. Tsy mila ady intsony isika satria efa farofy i Madagasikara. Firaisankina sy fifankatiavana no ilaina. Nijery ny vinan’ny filoha ankehitriny izahay. Efa nanomboka izy dia aleo tohizany. Inoana fa efa hitany ny lesoka ka tsy ahazo azy intsony. Aleonay aty am-piandohana no miteny izay ho tohananay mba tsy hisian’ny fifamitahana eo aminay sy ny vahoaka malagasy. Aoka tsy hifantoka loatra amin’ny resa-bola isika satria tsy izay loatra no zava-dehibe fa fitiavana firenena. Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana, hoy hatrany ity kandida niala an-daharana ity!
J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,