airtel

Politique

29-nov-2024

KAOMININA ALASORA

Maika ny famahana ny olan’ny rano, ny sosialim-bahoaka

Sample post image

Tena maika ny famahana ny olan’ny rano ao anatin’ny Kaominina Alasora hanalana fahasahiranana ny mponina.

29-nov-2024

Toraka izany ihany koa ny fanohizana ny asa fanamboarana ireo lalan-kely, ny fijerena ny sosialim-bahoaka ary farany izay tsy kely akory dia ny fanampiana ireo tantsaha mpamokatra eny an-toerana. Ireo no anisan’ny laharam-pahamehan’ny Kandida Randriantsoa natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara raha vantany vao lany soa aman-tsara eo izy, aorian’ny fifidianana Ben’ny tanana izay hotanterahina ny 11 Desambra ho avy izao manerana ny Nosy. Mitohy hatrany araka izany ny fidinana ifotony isan’andro tanterahiny sy ireo ekipany hahafahana mahafantatra marina ireo hetahetam-bahoaka manerana ireo Fokontani miisa 20. Hohampidirina ao anatin’ny fandaharan’asany avokoa izany rehetra izany miaraka amin’ireo voalaza etsy ambony ireo mba hahafahana tena mampandroso marina an’Alasora. Tanjon’ity Ben’ny tanana ity rahateo ny hampandroso an’Alasora tsy mitsahatra, toy izay efa nataony tao anatin’ny 5 taona.
Pati
Legende : Mbola tena tian’ny olona tahaka izao ny Kandida Jimmy Randriantsoa !

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap