airtel

Politique

29-nov-2024

KAOMININA ALASORA

Maika ny famahana ny olan’ny rano, ny sosialim-bahoaka

Sample post image

Tena maika ny famahana ny olan’ny rano ao anatin’ny Kaominina Alasora hanalana fahasahiranana ny mponina.

29-nov-2024

Toraka izany ihany koa ny fanohizana ny asa fanamboarana ireo lalan-kely, ny fijerena ny sosialim-bahoaka ary farany izay tsy kely akory dia ny fanampiana ireo tantsaha mpamokatra eny an-toerana. Ireo no anisan’ny laharam-pahamehan’ny Kandida Randriantsoa natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara raha vantany vao lany soa aman-tsara eo izy, aorian’ny fifidianana Ben’ny tanana izay hotanterahina ny 11 Desambra ho avy izao manerana ny Nosy. Mitohy hatrany araka izany ny fidinana ifotony isan’andro tanterahiny sy ireo ekipany hahafahana mahafantatra marina ireo hetahetam-bahoaka manerana ireo Fokontani miisa 20. Hohampidirina ao anatin’ny fandaharan’asany avokoa izany rehetra izany miaraka amin’ireo voalaza etsy ambony ireo mba hahafahana tena mampandroso marina an’Alasora. Tanjon’ity Ben’ny tanana ity rahateo ny hampandroso an’Alasora tsy mitsahatra, toy izay efa nataony tao anatin’ny 5 taona.
Pati
Legende : Mbola tena tian’ny olona tahaka izao ny Kandida Jimmy Randriantsoa !

 

Dans la même rubrique

14-févr-2025

Miitatra ny lonilony ara-pifidianana, tsy mijanona intsony amin’ireo heverina fa hery mpifanandrina fantatra

Card image cap
14-févr-2025

Notanterahina omaly alakamisy 13 febroary 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena ny fihaonana

Card image cap
13-févr-2025

Ny zava-miseho rehetra ankehitriny dia vokatry ny fifidianana, hoy ny antoko politika Teza.

Card image cap
13-févr-2025

Namana enina (6) mpiaro ny tanin’ny mponina voatazona atao andrimaso (garde a vue)

Card image cap