Tranga anankiray nisy namoaka, ohatra ny karatra roa izay misy anarana mitovy, samy vavy, niova kely ny laharan'ny karapanondro, samy hafa ny laharana ao amin'ny lisi-pifidianana, mazava ho azy mifidy amina biraom-pifidianana roa fa samy ao amin'ny CEG Ambohipo ihany anefa, hoy ny fanamarihana. Ny alarobia teo ihany koa, voalaza fa nahitana kara-pifidianana triplon, izany hoe karatra 1 misy dika 3 mitovy, maromaro teny amin'ny fokontany Soamanandrariny, kaomin'Ambohimangakely. Ireo karatra vaovao vao nozaraina hiatrehana ny fifidianana rahampitso moa izy ireo.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny