raha ny resaka niparitaka tao anatin’ny andro vitsy. Voalaza fa nisy solombavambahoaka sasantsasany nanolotra hevitra hanaovana fihaonana manokana tsy azon’ny besinimaro sy ny haino aman-jery idirana, miaraka amin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Antony ny hiresahana momba ny tombontsoa ara-bola sy hafa omen’ny fanjakana ho an’ireo parlemantera. Niteraka resabe io fanapahan-kevitra io teo anivon’ny solombavambahoaka sasany, izay manontany tena momba ny fahatomombanan’ny fotoana hanaovana izany fihaonana izany, indrindra amin’izao fotoana mifanojo olana ara-tsosialy sy ara-toekarena maro eto amin’ny firenena izao. Voalaza fa mety hotanterahina amin’ity herinandro ity ihany koa ny fihaonana mivantana eo amin’ny solombavambahoaka sy ny mpikamban’ny governemanta, izay hatao anaty fivoriana ara-potoana ao amin’ny Antenimierampirenena. Ity fihaonana ity dia tokony hifantoka amin’ireo olana lehibe mianjady amin’ny vahoaka, toy ny olana amin’ny filaminana, ny delestazy, ary ireo olana ara-piarahamonina sy ara-toekarena hafa. Na izany aza, io fihaonana manokana sady miafina io dia miantso saina sy manetsika adihevitra momba ny mangarahara sy ny laharam-pahamehan’ny asam-panjakana. Na tsy dia voaresaka ofisialy aza ny andinindininy, dia efa misy depiote namoaka ihany, toa an’i Siteny Randrianasoloniaiko, izay sahy nilaza mivantana fa sosotra ny depiote na ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana satria 10 volana tsy nahazo karama ireo « assistants parlementaires », tsy voaloa ny vola tsoahina amin’ny karaman’ny depiote amin’ny resaka fividianana fiara,… Efa nisy resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta teo aloha teo, saingy nezahina nampanginina sy nolazaina fa fanakorontanana, saingy io manomboka mafampana io indray ao Tsimbazaza noho ny resaka tsy fandoavam-bola. Andaniny, ny vahoaka mifafa ny kihony tsy misy mpiahy, tsy misy mpiaro,…
Toky R
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia