airtel

Politique

25-févr-2022

Politique

KOHEN RIVOLALA “Ny olon-dRajoelina ihany no mety hanongana azy …”

Sample post image

Mandeha araka ny efa nambarako ny zava-mitranga eto amin'ny firenena ankehitriny hoy ny Kohen Rivolala Filohan'ny Antoko politika CCDM raha naneho ny heviny momba ny fiainam-pirenena izy omaly.

25-févr-2022

Mahita izy fa tsy haharitra izao fitondrana izao ary mety hitranga lela mihitsy vao hahatafita ity taona 2022 raha ho tafita!Anton'izany ny fisian'ireo trangan-javatra maro, saika ho isan-kerinandro, miseho mahakasika ny tsy fifankazahoana eo amin-dry zareo samy ao anatin'ny fitondrana ka mivoaka ho hitam-bahoaka amin'ny alalan'ny haino aman-jery na ny tambazotran-tserasera facebook. Santionany amin'ireny ny resaka kolikoly nahavoasaringotra minisitra maromaro na teo aloha na vao haingana teo hoy Kohen Rivolala,eo ihany koa ny fisian'ny solombavambahoaka IRD manao fihetsika mandoto ny Filoha sy ny IRD toy ny nataon'ny depiote Ratsivahiny nanambany mpampianatra farany teo ary indrindra ny fisiana vadina minisitra iray mihevitra ny tenany fa ho tompon'i Madagasikara sy ny fibaikoana eto amin'ny firenena ka mibaiko etsy sy eroa,miditra amin'ny resaka fitantanana samihafa mihintsy ary mahavita mandrahona Jeneraly eo anivon'ny tafika Malagasy hanala azy amin'ny toerany mihitsy aza ankoatra ny filàna ady amin'olona toy ny fihantsiana ny depiote sady mpanakanto Rossy nitranga vao tsy ela akory izay!Nametra-panontaniana moa Kohen Rivolala hoe : iza marina io olona io,inona marina ny fahefana ananany eto amin'ny firenena no toa sahy mandrefy mpitantana sy mpitondra maro izay tsy mifanaraka amin'ny lohany kanefa dia tsy misy sahy mandray andraikitra momba azy mihintsy hatreto!Nahoana no misy ny tsy matimanota toy izany ato anatin'izao fitondrana mijoro izao hoy ity Filohan'ny Antoko politika CCDM ity!Aminy dia hoditr'akondro atsipy eo an-tongotry ny Filoha Rajoelina ataon'ireo mpiara-dia azy avokoa izany rehetra izany ary tokony ho tsapan'ny Filoha fa manimba azy sy ny fitondrana eo imason'ny vahoaka ireo,saingy fanontaniana no napetrany: nahoana ny Filoha Rajoelina no tsy sahy mandray fepetra hentitra manoloana ireny olona sy trangan-javatra mhataon'ny mpiara.dia azy ireny hoy izy?? Fitondrana kitrano an-trano Tsy nihambahamba ny kohen Rivolala nilaza fa kiantra an-trano no misy amin'izao fitondrana izao,samy mandrombaka sy maka izay hamenoany ny paosiny izay tonga eo amin'ny toerany araka ny fahitany azy ka izy samy izy ihany avy eo no mifampitoroka sy mifamoaka dosie manaha lamba maloto imasom-bahoaka rehefa misy ny tsy fifankazahoany ara-tombontsoa!Ny Filoha nefa dia hita fa ho tena matoky ireo mpiara-miasa aminy kanefa ireto mpiara-miasa aminy ihany no mandoto azy,ny Mapar mandoto Mapar, ny TGV mandoto TGV, ny IRD mandoto IRD!!Tolo-kevitra no nomen'i Kohen Rivolala manoloana izany rehetra izany,mpanolo-tsaina ara-panahy no tsy ampy amin-dRajoelina Filoham-pirenena hoy izy fa tsy mpanolo-tsaina politika.
TOKONY HANOVA FAMINDRA
Tokony hanova famindra faran'izay haingana ireo mpitondra isan-tsokajiny miainga amin'ny fara-tampony raha mieritreritra hanatratra ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny Filoha amperin'asa!Mety hisy krizy politika mafy hitranga manomboka amin'ny volana Jona izao hoy Kohen, tsy tsara izany hoe : fanonganam-panjakana izany hoy izy ary tsy hahasoa ny firenena. Ny tenany rahateo tsy mankasitraka fanonganam-panjakana mihitsy saingy ireto mpiara-dia amin-dRajoelina ireto ihany no mety hanongana azy amin'ity taona ity raha tsy mitandrina izy ary raha mbola mitohy tsy mandray fepetra henjana manoloana ireo zava-misy rehetra mandoto sy manalabaraka azy ataon'ny mpiara-miasa sy mpiara-dia aminy ao anaty fitondrana.
Pati
Legende : Mampitandrina ny Filoha Kohen Rivolala manoloana ireo mpiara-miasa aminy
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap