airtel

Politique

22-avril-2024

Kolekitifa an’ny Malagasy Avaradrano

« Tsy azo ekena ny tsy fanonerana ny tanim-bahoaka nalaina »

Sample post image

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

22-avril-2024

Malagasy Avaradrano tarihin’i Hajo Andrianainarivelo sy Andry Ratavilahy ny sabotsy teo. Nihaona tamin’ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa arabe migodana na teleferika. Nilaza ireo vahoaka fa tsy nisy ny fifampiresahana fa dia nandeha ny fametrahana « piquet » sy fampidinana « bulldozer » nanao ny fitrongisana. Tsy nisy dinika, 2 volana ny taratasy nampahafantarana ny fokonolona no nipetraka teny amin’ny tanàna. Ny volana desambra 2022 no nanombohana ny tetikasa, tsy nanohitra ny vahoaka, fa nangataka ny hanaovana tombana ny fananany, ny taniny, ny tanimbariny,… Nampanantenaina fa tsy maintsy voaloa ao anatin’ny 3 volana, saingy hatramin’izao tsy mbola nisy, hoy ny fitarainan’ireo vahoaka. Nilaza kosa ny kandida Hajo Andrianainarivelo fa malaza ny voalazan’ny lalàna amin’ny tokony hanonerana ireo vahoaka izay vao mandeha ny fikitihana ny fananany. Tokony hazava ny taratasy rehetra ary voaloa ny vola, ary tahaka izany ihany koa ny tambin’ny fihariana. Raha vao azo ilay vola dia mba afaka manao fitadiavana hafa, ka tsy rariny raha 2 taona aty aoriana tsy nahazo ny volany, tsy nahazo ny tambiny ilay olona ka inona no hohaniny? Inona no tambiny? Famonoana olona izany ary lavin’ny lalàna ka miantso ny tompon’andraikitra hanazava ary vonona hiady hevitra aminy aho raha sahy izy, hoy I Hajo Andrianainarivelo. Eo anatrehan’ny hoe: an’ny Fanjakana ny tany, dia manana ny zony ny tompon-tany ka izany ihany koa no tokony harovan’ny Fanjakana voalohany, hoy ity kandida ity. Efa minisitry ny asa vaventy moa ity farany teo aloha, ka nilazany fa novinavinaina ho 5-7 taona teo vao vita ny fandalinana sy ny fandoavana ny volan'ny olona rehetra. “Manome toky anareo aho fa tsy hamelako mihitsy ity resaka ity raha tsy misitraka ny zon’ireo tantsaha ireo. Fantatro tsara ny antsipirihany amin’ity raharaha ity ka dia ho avy isika amin’ny angady sy ny harona”, hoy I Hajo Andrianainarivelo naneho fa hiady ho an’ireo vahoaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap