tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Politique

Komity miaro ny soa iombonana “Anjaran’ny mpitondra fivavahana sisa”

Eo anivon’ny vondrona Panorama ny komity miaro ny soa iombonana na KMSI, hoy ny mpitarika ity vondrona politika ity, Randrianirina Jean Ignace na Ramasy.

30-déc-2022

Sample post image

Miaraka amin’ny vondrona ALDR koa, hoy izy. Efa misy sehatra iarahana ao anaty vovonana iray noho izany ny KMSI ary tafiditra ihany koa ao anatin’ny resaka CMT na komity tekinika iombonana manomana ny fifidianana. Ny soa iombonana resahan’ny KMSI matetika dia ny fanadiovana mihitsy ny tokontanim-pifidianana. Nanao ezaka handamina ny KMSI saingy miankina amin’ny tsirairay avy moa no hahatongavana amin’izany. Heverin’ny KMSI manoloana ny zava-misy ankehitriny fa lalana iray ny fifampiresahana. Izay no hampirisihan’ny KMSI ireo sokajin’olona rehetra ireo. Nezahana koa ny nifampiresaka amin’ireo mpitondra fivavahana hanatanteraka ny fikaonandoham-pirenena. Tonga ny hafatra fa anjaran’ireo sisa no mandamina an’izay. Manantena izahay fa hisy ny fifampiresahana amin’ny taona 2023. Fikaonandoha ho an’ny rehetra handaminana ny tany sy ny fanjakana. Tsy niova amin’ny tanjony dia ny hananana mpitondra eken’ny rehetra ny KMSI. Ny fampandraisana anjara ny fokonolona no hitondran’ny KMSI azy satria mitazana fotsiny izao ny fokonolona. Manadio ny lisi-pifidianana isika nefa olona tendrena no apetraka eny. Tsy misy fandraisana anjara amin’ny fanentanana ny olona izany. Raha vao tsy mandray anjara ny olona eny anivon’ny fokonolona, ny fokontany dia mitazam-potsiny. Tsy nampiharina ny lalana hoe fidiana ny solontena eny anivon’ny fokontany. Fidin’ny fokonolona ny olona hikarakara fifidianana dia mba manana olona azony hitokisana hanatanteraka fifidianana ilay fokonolona, hoy hatrany ny KMSI.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpanohitra miatrika fifidianana Sarotra ilay fametrahana kandida tokana
27-mars-2023

Saika nahatonga solontena tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola avokoa ny alakamisy lasa teo ireo

Card image cap
Hary Razafindrazaka « Mitsangana manohitra amin’ny hevitra fa tsy herisetra »
27-mars-2023

Mampalahelo ny hoe ny fanaovana T shirt Andry Rajoelina no hoe nidarohana ilay mpamily Bajaja, hoy ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.

Card image cap
RMDM, PANORAMA, HVM, HIFIM,… “Mandeha ila ary vao mainka hiteraka krizy io CENI io”
27-mars-2023

Voaporofo mazava fa tsy vita maimaika ao anatin’ny 3 volana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa mila 8

Card image cap
Lola Rasoamaharo Gadraina noho ny resaka lonilony avo lenta ?
27-mars-2023

Nidoboka vonjimaika etsy Antanimora ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo Atoa Roland Hubert Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa avy nampandalovina teny amin’ny Fitsarana Anosy efa madiva ho alina.

Card image cap
Famoriam-bahoaka Nafampana ny tany Mananjary
27-mars-2023

Nafampana ny famoriam-bahoaka nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany tany Mananjary ny sabotsy teo.

Card image cap
Andry Rajoelina Miezaka maka ny fon’ny tanora indray
27-mars-2023

Ry tanora namako, natokako ho anareo ny andro androany, nihaonako taminareo ary nizarako ireo soatoavina tiako ho ampitaina aminareo, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato.

Voir plus