airtel

Politique

13-nov-2025

KOMITY MIARO NY TOLONA

Maika ny fampanjariana ny

Sample post image

jiro sy rano ho an'ny vahoaka

13-nov-2025

Malagasy Maika ny fampanjariana ny jiro sy rano ho an'ny vahoaka Malagasy ho an'ny Komity Miaro ny Tolona na ny KMT tarihin-dRakotomavo Lanto. Ekena hoy izy fa efa tena manao ezaka lehibe ny Fitondram-panjakana amin'ny orinasa JIRAMA saingy tsy mora ihany koa ny manao zavatra, indrindra ao anatin'izao fanavaozana sy fanarenana ny Firenena izao. Ny KMT moa raha tsiahivina dia mijoro hiaro ny Tolona nanafahana ny firenena teo ambany vahaohan'ny jadona.Miantso ireo nandray anjara rehetra tamin'ny Tolona araka izany ny tenany mba hiditra ao anaty fikambanana. Nanatitra ny taratasy mba haha-ara-dalana ny fikambanana teo anivon'ny Ministeran'ny Atitany ny fikambanana omaly taorian'ny nanatanterahany ny fihaonambe. Tanjon'izy ireo ary hanaovany ady sisika mafy ny hisian'ny fampandrosoana eto amin'ny tany sy ny firenena mipaka any amin'ny fiainan'ny isam-batan'olona. Toraka izany koa ny hisian'ny fifampihainoana eo amin'ny samy Malagasy ahitana vahaolana maharitra fa tsy sanatria hamboly korontana indray.
Pati
Légende : Ireo mpikambana eo anivon'ny Komity Miaro ny Tolona !

 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap
27-avril-2026

Manao ny ezaka rehetra ry maitso

Card image cap