airtel

Politique

10-nov-2025

Komity Miaro ny Tolona SOFIA

"Atsaharo ny fanenjehana ny Raiamandreninay"

Sample post image

Efa nanantitrantitra ary nampiaka-peo

10-nov-2025

izahay nandritra ny tolom-bahoaka farany teo no efa nahalala fa tsy maintsy hirodana ny Fanjakana Rajoelina, ka niantso ny tsy hanaovana ankilabao intsony ny zanak'i Sofia amin'ny fanganana governemanta, hoy ny KMT (Komity Miaro ny Tolona) faritra Sofia tamin'ny filohany Ramanantsaina José. Nanamarika izy ireo fa misandoka sy miray tsikombakomba amin'ny fitondrana teo aloha izay misora-tena ho KMT Sofia ankoatra azy ireo. Nanipika fa teo aloha tena natao anjorom-bala n'y zanak'i Sofia, nisy fotoana aza tsy hita mihitsy tao anatin'ny governemanta. Amin'ity governemanta ankehitriny ity kosa, hoy izy ireo, dia miisa 3 be izao ny zanak'i Sofia ao anatin'ny governemanta ka isaorana ny Filoha Kolonely Randrianirina Michael. Naneho fa sarotiny amin'ny fanovana tiana hapetraka eto amin'ny Firenena, indrindra any aminay any Sofia any ifotony, hoy izy ireo. Nampiaka-peo eo anatrehan'ny resaka mandeha sahady amin'ny tambajotran-tserasera entina hanaratsiana ny Minisitry ny fanajariana ny tany Lylison René de Rolland izay Raiamandreniny ny zanak'i Sofia. "Miangavy izahay mba hanatsaharana ny fanenjehana ny Raiamandreny izay tena mahasarotiny anay satria olobenay izy io, ary hitantsika fa andro vitsy monja taorian'ny nanendrena azy ho Minisitra dia efa hitantsika ny asa azo tsapain-tanana miteraka fampandrosoana ho an'ny Firenena", hoy ny KMT Sofia. Nanambara sy nanamafy ofisialy fa manohana ny Fanjakana tarihin'ny Kolonely Randrianirina Michael. Momba ny fanendrena olona anaty rafi-panjakana, ho avy ny fanendrena talem-paritra samihafa any ifotony, ka niagavy mba ireo tena nitolona sy namono tena, niaritra ny mafy tamin'ny tena no homena vahana. Aoka hifampiresaka, antsoy izahay, ahoana ny fomba hanendrena azy. Vonona hiaraka hiasa amin'ny governemanta manontolo. Tokony hotendrena tsy ho ela ny Lehiben'ny Faritra: tokony hahafehy ny fandriampahalemana, fitantanan-draharaham-panjakana, politika, afaka hampihavana,... ka apetraka ny fihavanana ho an'i Sofia, hoy hatrany ity KMT Sofia ity. Milaza fa hapetraka ny fihavanana ho an'ny Faritra Sofia, ary efa nifampiresaka tamin'ny kandida iray ho Lehiben'ny Faritra ka efa vonona ny hametraka fihavanana raha tendrena ho Lehiben'ny Faritra. Nilaza ihany koa anefa tsy manana kandida tokana hotohanana, fa zanak'i Sofia avokoa izay mirotsaka eo, fa miantso ny Fanjakana hahay hisafidy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap