airtel

Politique

21-déc-2022

Politique

Krizy goavana Sempotra ara-bola ny fanjakana

Sample post image

Rajoelina Hafahafa ny tsio-drivotra momba ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’izao faramparan’ny taona izao.

21-déc-2022

Mampanahy ny tsy fahampiana ara-bola, hany ka maro ireo mpisam-panjakana mitaintaina tahaka ny sahobakaka ambodiriana. Betsaka ny endrika toa maneho fa tsy ampy ny vola. Misy feo mivoaka fa misy minisitra nametra-pialana saingy nolavina fa hoe: tsy misy mahazo miala ny sambo izany, fa mila miara-miatrika. Maro ireo olana ara-bola hatry ny ela saingy mihombo, toy ny tsy fahazoan’ireo orinasa mpikojakoja làlana ny volany satria ny volan’ny FER (Fonds d’Entretiens Routiers) navadika ho FR (Fonds Routiers) saingy toa manjavozavo ny nalehan’ny 457 miliara Ar teo ho eo. Ny resaka solika hatrany dia voalaza fa ananan’ny kaompania 237 hatramin’ny 347 miliara Ar raha ny kaonty efa tamin’ny volana mey 2022, ary iny novain’ny loholona ho 20% manomboka ny volana janoary 2023 iny ny haba alaina amin’ny solika raha toa ka 15% izany, ary ny tapaky ny 2023 no noheverina hampiharana azy tany am-piandohana. Ny fakana solika ho an’ny fiaramanidina toa miainga amin’ny tsindry bokotra rehefa misy dian’ny manam-pahefana ho any ivelany, ary isan’ny politika nampiasain’ity Fitondrana ity ny “requisition” tamin’ny fakana solika ho an’ny jirama, nisian’ny fifampitoriana tamin’ny orinasan-tsolika iray. Ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) izay natsangana hanafatra ireo entana ilaina andavanandro voalaza fa ananan’ny seranan-tsambon’I toamasina 14 miliara Ar,… Ny tany aloha izany, fa ankehitriny, ireny niaraha-nahita ireny ny grevin’ny mpiasan’ny antenimierandoholona satria tara sy tsy voaloa ny karama, nifindra teny Tsimbazaza ary nisy ny ahiahy fa tsy ho voaloa ny karama sy ny tombotsoa samihafa. voalaza fa misy ny fangoronana ireo vola mipetrapetraka any amin’ny Minisitera sy sampan-draharaha samihafa dia ny tetibola ho an’ny PIP (Programme d’Investissement Public) satria tsy ampy ny vola handoavana karama, ny volan’ny CNaPS ahiana ho ritra ny 300 miliara Ar, mety hana-dia ny Air Madagascar, Jirama,… Teo ihany koa ny fipariahan’ny resaka fa misy fikasana haka sy hamindra ny 322 tapitrisa DTS avy tao amin’ny Banky Foibe,... Misy ny milaza fa 283 miliara Ar eo ny vesatry ny karaman'ny mpiasam-panjakana kanefa toa 187 miliara Ar fotsiny ny vola hita fa misy. Nisy ny karaman’ny mpiasam-panjakana tonga afak’omaly, fa misy ny mbola tsy tonga! Raha ny tombana mandeha, ho feno sy ho voaloa ihany amin’ity volana ity, fa ny fiandohan’ny taona no mampanahy. Midika izany rehetra izany fa sempotra tanteraka ny Fanjakana Rajoelina.
MITOVY NY TAMIN’NY 2002
Misy ny hafatra niparitaka voalaza fa avy amin’I Mahery Lanto Manandafy milaza, fa nisy namany mpahay toekarena namangy mba nizara vaovao, ka mitovy tamin'ny zava-nisy taorian’ny ny krizy 2002 no hiainantsika amin'izao fotoana izao. Tsy mihoatra ny 15 andro ny tahirin’ny vola vahiny ao amin'ny Banky Foibe ao. Mifangaro voraka tsy voahaja intsony ny « principe d'affectation budgétaire”,… Ny maha samihafa azy tamin'ny 2002 efa nisy “document stratégique” vonona, DSRP (document stratégique pour la réduction de la pauvreté)) nataon'ny ekipa Tantely Andrianarivo, ito ny PEM an'i Dadaboana (Holijaona Raboanarijaona) efa 4 taona tsy mety “validé” no azo atokona. Voalazan’io resaka niparitaka io, fa efa nesorina ny DGFAG, nametra-pialana ny governoran’ny Banky Foibe sy ny minisitry ny vola fa nolavina? Raha ny loharanom-baovao kosa dia antony ara-pahasalamana manokana ny an’ny governoran’ny Banky Foibe! Andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap