airtel

Politique

18-mars-2024

Krizy sy tsy fahaiza-mitantana

Fanjakana mpampahory vahoaka no misy eto

Sample post image

Miha manakaiky ilay 100 andro voalohan’ny Fitondrana nanaovana fampanantenana

18-mars-2024

fiovana hita taratra amin’ny andavanandron’ny Malagasy, saingy tsy izay no sary miseho. Miodinkodina am-pitoerana sy mitantana krizy no tena atao, ary miharihary fa tsy mahatafavoaka baolina. Ny fipoahana sosialy anefa efa tena misy raha tarafina amin’ireny tany Toamasina noho ny resaka delestazy sy ny teto Antananarivo nataon’ny mpiasa mpandroaka fako ireny.
TSY HAY HOE MANDEHA MANKAIZA
Tsy tena misy sori-dàlana mazava sy vahaolana mahomby fa toa mandeha fahoany fahoany arakaraka izay zavatra mitranga, ary matetika fampisehoan-kery amin'ny alalan'ny mpitandro filaminana sisa no harangaranga. Sasatry ny mitady fanadiovan-tena sy fanamarinan-tena eo anatrehan’ny tsy fahombiazana, izay tena hita taratra sy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka. Ny sary mitranga dia ny zavatra sy asa efa tokony handeha ho azy no lasa hitadiavana doka politika. Ohatra mivaingana amin’izany ny fanesorana ny fakon’Antananarivo, izay nisian’ilay fanamby fa hoesorina ao anatin’ny 10 andro. Zavatra efa tokony handeha ho azy io, ary efa asan’ny kaominina ka tsy mila hitadiavana doka. Io iaraha-mahita io ihany koa anefa ny olana fa ny mpiasa izay tena nanao ny ainy tsy ho zavatra tsy nahazo ny karamany ara-potoana, kanefa ny mpitantana no mitaingina ny asany ho fahombiazana. Ny sary mitranga dia miampanga tena ny fitondrana ary toa lasa endrika fanambaniana ankolaka ilay ben’ny tanàna lasa minisitra fa ny fako tsy vitany ny nanala azy tao anatin’ny 4 taona dia tian’ilay nisolo azy haseho fa afany tao anatin’ny 10 andro. Endriky ny tsy firindram-pitantanana sy tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana mahomby fa karazana fampalazana sy fampisongadinana olon-tokana ihany koa ny hoe : resaka fakon’Antananarivo sy fanadiovana lakandrano etsy Andravoahangy, dia any anaty filankevitry ny minisitra no resahana sy handraisana fanapahan-kevitra vao mivaha ny olana. Atao mahagaga ve raha adino ny tena famahana ny olam-bahoaka amin’ny ankampobeny : fahantrana, fidangan’ny vidim-piainana, fahapotehan’ny làlam-pirenena etsy sy eroa, tsy fandriampahalemana, delestazy mampikoroso fahana ny toekerana,… Lany andro mitantana krizy sy mampanantena an’izao sy izao, raha tsy hilaza afatsy io resaka delestazy io, izay vao mainka miha zava-doza.
MANAO BODONGERINA
Toa zatra an’ilay fitantanana bodongerona sy hitsin-dàlana, toy ny resaka « réquisition » amin’ny fakana solika amin’ireo mpamatsy izany, izay niteraka trosa nisavovona. Tratry ny fepetra henjan’ny mpamatsy vola dia io kofona tanteraka io, ny vahoaka no ampandeferina, ny famokarana herinaratra no hahena satria nahena 20% ny famatsiana solika ireo toby mpihary herinaratra manerana ny Nosy ankoatra an’Antananarivo, Nosy Be, Sainte Marie, dia lalaovina amin’ny hoe : fahatarana solika. Angaha tsy efa fantatra hoe : amin’izao no tapitra io ary tokony ho efa vonona araka izany ny manaraka ? Mbola ny « werawera » sy ny kirendrarendra toy ny teleferika, monument,…. ve no maika sy laharam-pahamehana ?
MBOLA SAHY HILAZA FA MAHOMBY ?
Dia mbola sahy hilaza ihany ve fa mahomby ny fitondrana, izay kofona tanteraka ankehitriny ? Ny vidim-piainana midangana noho antony maro, ka na io fahapotehan’ny làlana sy ny delestazy io aza dia isan’ny antony goavana. Mba hitan’ny mpitondra ve sa hikipiany fa 6000Ar tokoa anie izao ny kilaon’ny siramamy, manodidina ny 2000Ar ny kapoakan’ny vary any amin’ny distrika sasany any Sofia noho ny fahapotehan-dàlana raha toa ka manodidina ny 600Ar ohatra ny any Didy Ambatondrazaka satria tsy tafavoaka ny vokatra noho izay faharatsian-dàlana izay ihany koa,… Ny orinasam-panjakana tapitra maty sy potika, toy ny Air Madagascar izay heverina fa « régulateur des prix » araka ny fanehoan-kevitr’Atoa Tahina Razafinjoelina ka lasa manao izay danin’ny kibony ireo kaompania vahiny amin’ny saram-pitaterana, izay loza ho an’ny tontolon’ny fizahantany, miantraika amin’ireo mpandraharaha maro amin’io sehatra io, izay mety ho faty avokoa ny asany. Manampy trotraka ny fahapotehan-dàlana, ny tsy fandriampahalemana mampihemotra ny mpizaha tany. Isika anefa mametraka tanjona mpizahatany 500 000 isan-taona, izay efa tanjona talohan’ny covid-19, saingy tsy mety tratra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap