airtel

Politique

12-déc-2024

Lalaina Rakotomavo

«Aoka ho ny tena safidim-bahoaka no hiseho!»

Sample post image

Amin’ny maha olompirenena, hoy ny kandida ho ben’ny tanàna ao Ampitatafika, Lalaina Rakotomavo, dia tsy maintsy mifidy.

12-déc-2024

Tonga nanatontosa izay adidy maha olompirenena izay tetsy amin’ny EPP Ambodiafotsy moa ny tenany omaly tolakandro, tamin’ny 11 ora sasany. Ny tena faniriana, hoy izy, dia ho tanteraka tsara hatramin’ny farany izany fifidianana izany ary tena hanjakàn’ny fahamarinana sy mangarahara ka aoka ho ny tena safidim-bahoaka no hiseho! Somary miovaova ihany ny fahavitrihan’ireo mpifidy, arakaraky ny toerana, raha ny hita maso aloha. Misy toerana tena betsaka ary misy somary vitsivitsy. Inoana nefa fa mbola ho maro no hoavy mandra-paharivan’ny andro. Tena efa nisy, tetsy ankilan’izay, ny atao hoe tranga hafahafa tao anatin’izao fotoam-pifidianana izao saingy aleo angamba aloha handeha ny fanadihadiana mikasika ny tena zava-misy. Tsapa teo ny tsy fanarahan-dalàna ka aleo aloha andeha tsara ny fanadihadiana. Andrasana ny tatitra feno sy lalina, hoy hatrany ity kandidà ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap