airtel

Politique

12-déc-2024

Lalaina Rakotomavo

«Aoka ho ny tena safidim-bahoaka no hiseho!»

Sample post image

Amin’ny maha olompirenena, hoy ny kandida ho ben’ny tanàna ao Ampitatafika, Lalaina Rakotomavo, dia tsy maintsy mifidy.

12-déc-2024

Tonga nanatontosa izay adidy maha olompirenena izay tetsy amin’ny EPP Ambodiafotsy moa ny tenany omaly tolakandro, tamin’ny 11 ora sasany. Ny tena faniriana, hoy izy, dia ho tanteraka tsara hatramin’ny farany izany fifidianana izany ary tena hanjakàn’ny fahamarinana sy mangarahara ka aoka ho ny tena safidim-bahoaka no hiseho! Somary miovaova ihany ny fahavitrihan’ireo mpifidy, arakaraky ny toerana, raha ny hita maso aloha. Misy toerana tena betsaka ary misy somary vitsivitsy. Inoana nefa fa mbola ho maro no hoavy mandra-paharivan’ny andro. Tena efa nisy, tetsy ankilan’izay, ny atao hoe tranga hafahafa tao anatin’izao fotoam-pifidianana izao saingy aleo angamba aloha handeha ny fanadihadiana mikasika ny tena zava-misy. Tsapa teo ny tsy fanarahan-dalàna ka aleo aloha andeha tsara ny fanadihadiana. Andrasana ny tatitra feno sy lalina, hoy hatrany ity kandidà ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap